VIDIN'NY FITAOVAM-PIANARANA

Mila manana 3 hetsy Ar eo ho an'ny ankizy iray


  • Talata 22 Jolay 2025

Tsy mitsaha-miakatra ny vidim-piainana eto amintsika.

Saika voakasika avokoa ny sehatra rehetra ka anisan'ireny ny fitaovam-pianarana. Mila manana hatrany amin'ny 3 hetsy Ar amin'izao ny Ray aman-dReny ho an'ny ankizy iray, teti-bola hividianana fitaovam-pianarana, raha araka ny fanadihadiana natao. Mbola mihoatra lavitra noho io mari-bola io no ilaina raha mampiana-janaka eny anivon'ny sekoly tsy miankina mampiasa ny teny frantsay. Mitaky fitaovana manaraka ny kalitao sy manana marika ambony mantsy izy ireny. Tsy vitsy amin'ireo Ray aman-dReny no efa manangona tsikelikely vokatr'izany. Vao mahita 20.000 Ar kely dia mividy bokikely....Amin'ny faran'ny volana Aogositra mandray Septambra any anefa vao tena mandeha ny tsena na izany aza raha araka ny fanazavan'ny mpivarotra iray etsy amin'ny Pavillon Analakely. Nomarihin'ity mpivarotra ity moa fa efa tsy mahavelona intsony koa ny tsenan'ny fitaovam-pianarana amin'izao. Efa saika mamatsy ireo mpianatra ao aminy mantsy ny ankamaroan'ny sekoly eto amintsika amin'izao no sady azo aloha tsikelikely raha tsy vitsy koa ireo Ray aman-dReny no efa mahay mividy eny amin'ny magazay. Manodidina ny 12.000 ka hatramin'ny 15.000 Ar ny kahie iray fonosana 100 pejy amin'izao eny an-tsena.
Pati
Légende : Efa betsaka ireo Ray aman-dReny mividy fitaovam-pianarana amin'izao !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT