Vatsim-pianaran’ny oniversitem-panjakana

Tokony hofoanana sa mila hampitomboina…


  • Zoma 03 Mey 2024

indrindra fa ny eto Antananarivo. Tsara ny mampahafantatra fa 24 200Ar ny vatsim-pianarana ho an’ny taonna

voalohany na L1 vao miditra ; 6 050 Ar isam-bolana ho an’ireo mamerin-taona ; 30 250Ar ho an’ireo taona faharoa na L2 vao nisondrotra ary 7 562,50Ar ho an’ireo mamerin-taona ; 36 300Ar sy 9 075Ar ho an’ny taona fahatelo na L3 ; 48 400Ar sy 12 100Ar ho an’ny taona faha-4 na M1, ary 48 400Ar sy 12 100Ar ho an’ny taona faha-5 na M2. Ho an’ny fampitaovana na « équipement » kosa dia 66 000Ar isan-taona. Rehefa zohiana izany, tena kely sy bitika tokoa io milahatra amin’ny vidim-piainana. Mety tsy ampy saran-dàlana ao anatin’ny iray volana ny vatsim-pianarana eny amin’ny Anjerimanontolom-panjakana, kanefa mbola misy ireo fisoratana anarana mizara roa dia ny « inscription administrative » sy « inscription pédagogique » hakana vola amin’ny mpianatra, ary matetika miakatra foana, misy efa ho an’hetsiny. Maivana noho ny any amin’ny tsy miankina saingy mampikolay ny raiamandreny sy ny mpianatra. Betsaka ihany koa anefa ny adihevitra efa nisokatra mikasika azy io, toy ny fanehoan-kevitry ny minisitry ny fanabeazana iray teo aloha hoe : tokony hofoanana na izay tena mendrika ihany no misitraka. Io aza tokony hampiana mba hifanaraka amin’ny vidim-piainana ka hofoanana ahoana ? hoy ny hafa maneho fa mendrika matoa afaka « concours ». Efa nisy hatramin’izay ny vatsim-pianarana, mba nanana ny lanjany fahiny, saingy nihen-danja noho ny sandam-bola sy vidim-piainana, kanefa isan-taona misy olana foana, ary io no miteraka ny 80%-n’ny grevy eny amin’ny anjerimanontolom-panjakana hatry ny ela. Mba manampy na dia kely aza ny zanaka Malagasy anefa io, ary amin’izao fotoana izao, dia mihena ny herijika hahafahan’ny zanaky ny sarambabem-bahoaka hianatra eny amin’ny oniversite tsy miankina. Kely ny vatsim-pianarana raha jerena amin’ny isam-batan’olona, fa vesatra lehibe ho an’ny kitapom-bolam-panjakana ka azo halalinina ihany koa ny tamberiny ho an’ny firenena hoe : manao ahoana ? Mitondra inona ? Tsy io ihany fa hatramin’ny vola tsy toko tsy forohana hanaramana ny mpitondra no hatao an’izany hoe : inona no vokany sy tamberiny ?
MILA FANAVAOZANA
Ny endrika ivelany izay, fa eo amin’ny votoatiny, dia mbola betsaka ireo endrika manamafy fa marary ny fampianarana, potika ny fampianarana, tsy mifanaraka amin’ny filan’ny firenena,… ka sanatrian’ny vava toa mitady ho fombafomba sisa. Tsy mifanaraka ny politikam-pampandrosoana sy ny politikam-pampianarana. Tsy voatrandraka ho fanoitra ho an’ny fampandrosoana ny firenena ireo tanora volavolaina eny amin’ny anjerimanontolo fa mitady ho vesatra aza satria tsy misokatra mifanaraka ny fampianarana sy ny tsenan’asa izay tsy ampy na tsy misy firy. Betsaka ny loharanon-karena sy sehatra azo avadika ho hery ara-toekarena eto amintsika saingy tsy voatrandraka satria tsy mifanaraka amin’izany ny fampianarana sy ny famolavolana ny tanora Malagasy, ka any amin’ny fandaharana sy programam-pampianarana mihitsy ihany koa no heverina fa mila hatsaraina.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fisakafoana an-tsekoly
  • Zoma 19 Jona 2026

Modely mahomby erantany ny any Korea

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

Hijery ny tohiny
FTT