Fampianarana

Vatsim-pianaran’ny Oniversite “Efa ao ny vola, vao ny 30% n’ny karatra no vita activation”


  • Alatsinainy 21 Martsa 2022

Nitondra fanazavana momba ny dingana vita amin’ny fisitrahan’ny mpianatry ny oniversitem-panjakana vatsim-pianarana ny Minisiteran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa (MESUPRES)

 notarihin’ny Sekretera Jeneraliny Pr Salava Julien ny sabotsy teo. Notsipihiny fa tsy maintsy arahina sy tanterahina an-tsakany sy andavany ny dingana izay somary lavalava, saingy tsy tokony hanana ahiahy ny mpianatra satria efa tonga ao ny vola. Manampy ara-teknika ary mandefa teknisianina ny MESUPRES amin’ny “digitalisation”, fa ny tena miantsoroka azy io dia ny Minisiteran’ny paositra, ary ny Minisiteran’ny vola kosa ho an’ny ara-bola. Mbola mandalo Fiadidian’ny Repoblika ihany koa. Etsy ankilany, efa herinandro izay no nanaovana ny « activation » an’ny karatra E-poketra, 30% eo ihany anefa no nanao sy vita noho ny tsy fahafahan’ny mpianatra, izay mbola manaraka ny fampianarana ihany koa. “Miainga aorian’ny fisoratana anarana, tapitra ny fisoratana anarana, miditra amin’ny kaomisionin’ny vatsim-pianarana izay mandinika ny fangatahana nataon’ny mpianatra ny oniversite tsirairay, izay vao mahazo ny lisitry ny mpianatra afaka misitraka. Aorian’izay vao miditra amin’ny dingana samihafa amin’ny « digitalisation ». Misy ny antsoina hoe «qualification» ho an’ny taona voalohany (L1), ary “mise à jour” ho an’ny taona faharoa na L2 miakatra”, hoy raha ny fanazavan-dRtoa Arielle Tsiazonangoly Talen’ny Vatsim-pianarana eo anivon’ny MESUPRES. Ny Oniversiten’I Fianarantsoa no efa nahavita izany hatramin’ny farany, ary efa mandeha ny fizarana vatsim-pianarana. Efa vita ihany koa ny «qualification» sy ny «mise à jour » ho an’ny Politeknika Vontovorona, ary eo am-pikarakarana ny resaka dingana ao amin’ny resaka ara-bola ny DAAF (Tale ara-teknika sy ara-bola) anivon’ny MESUPRES. Notsipihin’ny DAAF Brysola Rajaonarivelo fa ny fanaraha-maso sy fanamarinana ny « base de données » no tena ataon’ny MESUPRES, fa tsy afaka manova. Rehefa vita ary hita fa tsy misy miverin-droa, na miverina in-telo, dia haverina any amin’ny oniversite, ary iny indray avy eo handefasana ny fangatahana “autorisation d’engagement” makany amin’ny Fiadidian’ny Repoblika amin’ny alalan’ny UGD (Unité de Gouvernance Digitale),… ary rehefa milamina izay vao mamoaka ny tetiandro hivoahan’ny vatsim-pianarana. Raha ny isa vonjimaika, dia 116 239 ireo mpianatra hisitraka vatsim-pianarana.
Toky R
Légende: Ireo tompon’andraikitry eo anivon’ny ny Minisiteran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Mention Ingénierie Minière
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

eny Vontovorona Tena tratejika ho

  • Grevy eny anivon'ny Lisea teknika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nivaha ny tao Ambositra,

  • Tahina Razafinjoelina
  • Talata 14 Aprily 2026

Hampita ny fampamokarana miainga amin'ny IA

  • “Africa Summit
  • Talata 14 Aprily 2026

Education 2026” Namiratra ny mpampianatra

  • MPIANATRA MAY
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

TRANO TENY ANKATSO

  • Fonenan’ny mpianatra eny Ankatso II
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

Hotohoton’ny afo ny Bloc 51

Hijery ny tohiny
FTT