Fampianarana

Vatsim-pianarana mankany ivelany Oniversite vahiny 24 no tonga etsy amin’ny Carlton


  • Sabotsy 02 Febroary 2019

Notanterahina omaly zoma 1febroary tetsy amin’ny hotel Carlton Anosy ilay “salon” karakarain’ny Fanéducation agency entina hampahafantarana ny mpianatra Malagasy ireo karazana oniveriste azo hianarana any ivelany.

 

 

 

 

 Fahombiazana tanteraka no azo tamin’ny ankapobeny noho ny hamaroan’ireo mpitsidika.  Miisa 24  ireo oniversite tonga teny an-toerana misandrahaka amina firenena valo toa an’i Canada, Inde, Amerika, Alemana  izay tena mahaliana ny ankizy tokoa. Raha araka ny fanazavan’Atoa Jacky Fanambinana, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny Fanéducation dia anisan’ny tanjon’izy ireo ny hanampy ireo mpianatra Malagasy amin’ny alalan’ny fikarakarana ny antontan-taratasy ilainy arahin’ny  fanamaivana ny fandraisan’ireo oniversite any ivelany azy ireo.   Nambaran’ity tompon’andraikitra ity fa tsy maintsy mahay sy mahafolaka ny teny anglisy ireo mpianatra maniry hanohy fianarana any ivelany. Manodidina ny 10 tapitrisa Ar kosa raha kely ny vola ilaina ho an’ireo izay vonona. Ny lalam-piofanana informatika,  siansa ary commerce moa  tena mahaliana ireo mpianatra hanohy fianarana any ivelany eto amintsika amin’izao.

Pati sy Tsirinasolo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT