Valin’ny Bakalorea

Ireo loharano ofisialy ihany no mahazo mamoaka


  • Alarobia 20 Aogositra 2025

Namoaka fanmpitandremana ho an’ny rehetra ny eo anivon’ny minisiteran’ny fampianarana

ambony sy fikarohana ara-tsiansa, miaraka amin’ny Oniversiten’Antananarivo fa voatazona ny fotoana handraisana fanapahan-kevitra farany na «délibération» mialohan’ny hamoahana ny valin’ny fanadinam-panjakàna Bakalorea. Ireo loharano na fantsona ofisialy ihany no mahazo mamoaka izany valim-panadinana izany, hoy ny fanazavàna. Tamin’ity taona ity izany, ankoatran’ireo tabilao misy ny lisitr’ireo mpianatra afaka isak’ireo foibem-panadinana toy ny mahazatra, dia eo koa ireo orinasam-pifandraisana miisa 3 eto amin’ny firenena dia ny Airtel, Yas, Orange. Eo ihany koa ny gazety mpiara-miasa eo anivon’ny News Mada. Mampitandrina ireo loharano tsy nahazo alalana, noho izany, ny Oniversiten’Antananarivo amin’ny fampielezana voka-panadinana tsy araka ny tokony satria tsy maintsy hiafara amin’ny fanenjehana ara-pitsaràna izany. Miantso ireo olompirenena voakasik’izay voka-panadinam-panjakàna izay ihany koa mba ho mailo hatrany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT