VAKANSY LEHIBE

Betsaka ireo ankizy tsy nahazo bileta


  • Talata 01 Jolay 2025

Tafiditra tanteraka ao anatin'ny famaranana ny taom-pianarana 2024-2025 isika ankehitriny.

Nanao ranolava tato anatin'ny 2 herinandro araka izany ireo karazana fetin-tsekoly nentina nanamarihana izany izay mbola hitohy amin'ity herinandro vaovao ity. Ny tena mampalahelo anefa raha araka ny fitarainan'ireo Ray aman-dReny sasany dia tsy nahazo bileta ireo zanany no sady tsy afaka nandray anjara tamin'ny fety famaranana ny taom-pianarana koa ho an'ireo mampiana-janaka eny anivon'ny sekoly tsy miankina. Noho ny mbola tsy fahaloavana ny saram-pianarana volana Jona no anton'izany vokatry ny fahasahiranana raha eo koa ny tsy fananana fahafahana hividy akanjo vaovao hanaovana fety. Raha araka ny resaka nifanaovana tamina talen-tsekoly iray dia tsy maintsy noraisina izany fepetra izany satria sahirana koa ny sekoly. Noho ny fahasahiranana lalovan'ny ankamaroan'ny tokantrano Malagasy ankehitriny mantsy hoy izy dia mbola betsaka ireo Ray aman-dReny hananan'ny sekoly trosana saram-pianarana tany aloha. Betsaka koa hoy hatrany izy ireo nampanaovina fanadinana fifindran-kilasy tamin'ny volana Jona na dia tsy nandoa saram-pianarana aza. Vonon-kiandry ny faran'ny volana handraisan'ny Ray aman-dReny karama araka izany ny sekoly vao hanome ny bileta mba tsy hamono antoka azy ireo raha araka ny fanadihadiana natao hatrany.
Pati
Légende : Tsy maintsy hanokanana vola manokana ny fitafiana hanaovana amin'ny carnaval tahaka izao !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT