VAKANSY LEHIBE AO MAHAJANGA

Tandremo ireo mpisoloky milaza fa manana trano !


  • Alatsinainy 08 Jolay 2024

Tafiditra tanteraka ao anatin’ny vakansy lehibe isika eto Madagasikara ankehitriny.

Tsy vitsy ireo efa miomankomana ny hivoaka any amin’ny faritra toa an’i Toamasina sy Mahajanga noho izany mba hiala sasatra kely. Olana hatrany anefa ny trano hivanihanana rehefa amin’ny fotoana tahaka ireny izay hararaotin’ireo mpisoloky ihany koa. Ireo hotely efa tena misy marina, fantatra anarana sy toerana no tsara aleha. Tsy azo antoka kosa ireo milaza fa mahita trano tsotra ary mandefa ny sary amin’ny tambajotran-tserasera Facebook ka mitaky avansa amin’ny alalan’ny Mvola. Raha kely mantsy dia manodidina ny 200 teo tamin’ny taon-dasa ireo mpiala sasatra voasoloky tamin’izany, ho an’i Mahajanga manokana. Mody maka sary tranon’olona ireo mpisoloky ary maka avansa. Rehefa tonga ao Mahajanga anefa ireo mpiala sasatra dia tsy misy akory ilay trano no sady manjavona tsy hita izy ireo. Sady very ny vola no fahasorenana no azo vokatr’izany. Raha samy hiala sasatra ihany noho izany dia aleo tonga any an-toerana mihitsy vao mitady trano na mamandrika hotely efa fantatra dieny mialoha mba hisorohana ny fahadisoam-panantenana sy ny fahaverezam-bola.
Pati
Legende : Maro tamin’ireo mpiala sasatra teto Mahajanga no efa lasibatr’ireo mpisoloky isaky ny vakansy lehibe tahaka izao !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT