Fampianarana

Vahaolana mitarazoka Nitroatra indray ny mpianatry ny Politeknika


  • Alarobia 02 Martsa 2022

Niroso tamin’ny grevy indray ny mpianatry ny Sekoly ambony politeknika Vontovorona omaly talata 01 martsa 2021 taorian’ny fahataperan’ny fe-potoana 24 ora nomeny ny tompon’andraikitra ara-panjakana hamaliana ny fitakiany.

 Raikitra omaly ny fanakanan-dàlana nanomboka teo amin’ny Sampanan’i Fenoarivo, fandorana kodiarana, filanjana sora-baventy,… ary niditra an-tsehatra tamin’ny baomba mandatsa-dranomaso indray ny mpitandro ny filaminana, raha toa ka tora-bato ny avy amin’ny ankilany. Anton’ny fitokonana moa ny fahataran'ny vatsim-pianarana efa-bolana sy ny fampitaovana na «équipement», kanefa milaza tsy nahazo valin-teny mahafam-po mahakasika izany izy ireo. Tojo fahasahiranana tanteraka sy milaza ho noana noho izany ny mpianatra, ka mitaky ny hanafainganina faran'izay aingana ny fikakarakarana ny antotan-taratasy mahakasika an'io vatsim-pianaranay io, satria efa ela ny fisoratana anarana sy ny lisitra ny mpianatra no nivoaka. Mitaky fiakaran'ny vatsim-pianarana manoloana ny vidim-piainana, mitaky ny fananganana « bloc » vaovao, mitaky ny fanatanterahana ny fampanantenana nataon'ny Minisitry ny angovo sy ny akoran’afo amin'ny fananganana «centrale autonome» hamokatra herinaratra mahaleotena ho an’ny politeknika,... Milaza ho leo amin’ny fitarazohana lava ny mpianatra, ary maneho fa herintaona toa mbola mihisatra ihany ny « digitalisation ». Tetsy ankilany, nanazava ny tompon’andraikitra, efa nivoaka omaly ny tetiandron’ny fizarana karatra (carte Visa) avy amin’ny Paositra Malagasy ho an’ny eny Vontovorona. Ny dingana manaraka dia ny fiaraha-miasa amin’ny paositra amin’ny « activation » na fampandehanana ny karatra rehefa azo, arahin’ny famoahana ny tetiandro hizarana ny vatsim-pianarana. Mitaky mafy ny hivoahan’ny tetiandro kosa ny mpianatra satria milaza ho tsy afa-po.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Mention Ingénierie Minière
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

eny Vontovorona Tena tratejika ho

  • Grevy eny anivon'ny Lisea teknika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nivaha ny tao Ambositra,

  • Tahina Razafinjoelina
  • Talata 14 Aprily 2026

Hampita ny fampamokarana miainga amin'ny IA

  • “Africa Summit
  • Talata 14 Aprily 2026

Education 2026” Namiratra ny mpampianatra

  • MPIANATRA MAY
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

TRANO TENY ANKATSO

  • Fonenan’ny mpianatra eny Ankatso II
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

Hotohoton’ny afo ny Bloc 51

Hijery ny tohiny
FTT