Fampianarana

“Vacation” an’ny mpampianatra Tsy maintsy haloa, hoy i Paul Rabary


  • Zoma 28 Jolay 2017

Betsaka ireo mpampianatra mitaraina ny amin’ny tsy mbola naharaisan’izy ireo ny “vacation” ny hatreto.

 

 Lohalaharana amin’izany ireo mpampianatra nandray anjara tamin’ny fitsarana ny fanadinana BEPC farany teo izay efa tsy nahazo nanomboka tamin’ny taona 2015. Nambaran’ny minisitry ny fanabeazam-pirenena Paul Rabary fa tsy maintsy aloan’ny fanjakana ireny vola ireny na rahoviana na rahoviana fa tsy very akory. Tsy maintsy ny famoaham-bola tahaka ireny no tapaka avy hatrany  rehefa tsy ampy ny eo anivon’ny kitapom-bolam-panjakana, hoy izy. Miankina amin’ny “loi de finances rectificatives” ( LFR) ihany koa ka rehefa miakatra itsy voalohany dia misosa ho azy ny fandoavana azy. Rehefa midina kosa ny LFR dia miantona kely ny fandoavam-bola, tranga izay hiainantsika amin’izao fotoana izao. Na izany aza anefa dia manome toky ny tenany fa tsy maintsy haloa ireny vola ireny. Nampahatsiahiviny manokana fa tsy maintsy mandalo eny anivon’ny DREN sy ny CISCO ny taratasy hahafahana mandray ny vola vao tonga eny am-pelatanan’ireo mpampianatra.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Zoma 12 Jona 2026

Nitondra am-bavaka ny

Hijery ny tohiny
FTT