Fampianarana

UPRIM sy ny masoivohon’i Afrika atsimo Hiara-kiasa akaiky hanatsarana ny fanabeazana


  • Talata 10 Jolay 2018

Hiara-kiasa akaiky manomboka izao ny masoivohon’i Afrika Atsimo sy ny sekoly ambony UPRIM manerana ny Nosy.

 

Ny hanatsarana ny fampianarana amin’ny alalan’ny fifanakalozana kolontsaina, ny fampitomboana ny fahaiza-manaon’ireo mpianatra no anisan’ny tanjona, hoy ny filoha tale jeneralin’ny UPRIM Rakotovaoarison Haingo Nadia. Namoaka mpianatra 300 mianadahy indray izy ireo ny faran’ny herinandro teo. Mpianatra nanovo fahalalana tamin’ny fampianarana ampitain-davitra izy ireo, izany hoe ireo efa am-perinasa notolorana ny maripahaizana licence sy ny master I amin’ireo karazana lalàm-piofanana miisa efatra ao aminy dia ny gestion et management, ny commerce et marketing, ny communication ary ny droit. Tonga nanotrona ny lanonana ny masoivohon’i Afrika Atsimo miasa sy monina eto amintsika, ny masoivohon’i Sina sy Compres ary ny jeneraly Ravalomanana Richard izay ray mpiahy ity andiany ity sy Rtoa Hanitra Andriamboavonjy filohan’ny FIMPIMA izay reny mpiahy azy ireo ihany koa.  Fantatra moa fa hanomboka  ny 28 jolay ho avy izao indray ny fidirana amin’ny fampianarana hampitain-davitra ho an’ny L1, L2, L3 ary ny M1 sy ny M2 ho an’ireo izay liana.

 

Pati

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT