Fampianarana

UPRIM Hatao nomerika ny fitaovana, hisokatra ny Master II


  • Alakamisy 08 Febroary 2018

Hatao nomerika avokoa manomboka amin’ny volana martsa na aprily ho avy izao ireo karazam-pitaovana rehetra hampiasaina eo anivon’ny sekoly ambony UPRIM etsy Andavamamba.


Anisan’ireny ny karatra fandoavan’ny mpianatra saram-pianarana, ny fandraiketana ny naotin’izy ireny anaty solosaina, eny hatramin’ny taratasy fierana omena ny sekoly sy ny mpampianatra rehefa tsy tonga mianatra ny mpianatra. Ankoatra izay dia nambaran-dRakotovaoarison Haingo Nadia, filoha tale jeneralin’ny UPRIM ihany koa fa hisokatra manomboka amin’ity taona 2018 ity ny Master II na ny bacc+5,  araka ny fangatahan’ireo mpianatra. Ireo no zava-baovao hatolotry ny Université privée de Madagascar ho an’ireo tanora mpianatra rehetra eto amintsika manomboka amin’ity taona ity. Tsiahivina moa fa manomboka amin’ny 14 febroary ho avy izao ny fidirana faharoa ho an’ity sekoly ambony iray ity. Efa misokatra, araka izany, ny fisoratana anarana ho an’ireo lalam-piofanana miisa dimy misy ao aminy dia ny gestion et management, ny communication et marketing, ny droit, ny communication ary ny paramédicaux izay ahitana ny “sage femme” sy ny “infirmier generaliste”.

 

 

 

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT