Naverin’ny fitondram-panjakana
Fanavaozana ny “Universiade”, raha toa ka tamin’ny taona 2019 ny andiany farany. Hetsika ara-panatanjahantena sy ara-kolontsaina hampivondrona ireo mpianatry ny Oniversite manerana an’i Madagasikara ny “Universiade”, iarahan'ny Minisiteran’ny Fampianarana ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa miasa amin'ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena. Ny tanànan'Antsirabe ny fifaninanana ny 30 Oktobra hatramin’ny 8 Novambra 2026 , izay hitondra ny lohahevitra « Firaisankina sy Fihavanana ». Ny taranja kitra lalaovin'olona 11 sy ny baskety lalaovin'olona 5, sokajy lahy sy vavy, no hifaninana eo amin’ny lafiny ara-panatanjahantena, ka ireo mpianatra voasoratra ara-dalàna amin’ny taom-pianarana 2025–2026 ihany no afaka mandray anjara. Hisy ihany koa ny sehatra hanehoana ny kolontsaina sy ny maha-izy ireo Oniversite mandritra ny “Carnarval culturel” fanokafana ny hetsika. Hisy koa fampirantiana ara-kolotoraly ny kolontsaina, fomba amam-panao, zavakanto ary ny mampiavaka ny faritra tsirairay. Handray anjara amin'ity “Universiade 2026” ity ny Oniversiten’Antananarivo, Mahajanga, Fianarantsoa, Toamasina, Toliara, Antsiranana, Itasy, Vakinankaratra, Alaotra Mangoro, Agnambà, Androy, SAVA, Ambositra (UNIVAM), Analanjirofo, Androna, Anosy, IST Diego, IST Tana, CNTEMAD ary ny CNELA.
Nangonin'i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.