Fampianarana

Tsy firaharahiana ny oniversitem-panjakana Miandry ny “1972 bis” ve vao ho taitra ?


  • Zoma 10 Martsa 2023

Misahotakotaka indray ny tontolon’ny fampianarana ambony noho ny fitakiana fanatsarana fotodrafitrasa sy fanatsarana fomba fiasa ataon’ny mpianatra.

Vono afo fotsiny no natao ny talata teo, hoy ny mpianatra eny Vontovorona. Io iaraha-mahita io ny eny, saingy milaza ihany koa ny etsy Ankatso fa mbola betsaka ireo mpianatra manao fanadinana ka ho fitsinjovana an’ireny no tsy mampihetsika azy ireo, fa fa samy tokony hitaky aza, hoy ny mpianatra. Mikorontana tsy mandeha amin’izay laoniny intsony ny fizarana vatsim-pianarana eny amin’ny oniversite amin’izao, hany ka matetika ny taom-pianarana ho tapitra, ny vatsy tsy mivoaka. Tsy maintsy miandry ny lisitra avy amin’ny oniversite rehetra. Isan’ny efa nahavita lisitra ny eny amin’ny Politeknika, efa vita 100% ny eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo, saingy tsy maintsy miandry ny hafa mbola tsy mahavita vao tena mandeha ny kaomisionin’ny vatsim-pianarana, raha ny filazan’ny eo anivon’ny Minisiteran’ny Fampianarana ambony. Nambara fa efa mivoaka ny fankatoavana ahafahana mamatsy vola ny fanamboarana eny Vontovorona,… Efa tonga amin’ny fitakiana mahery vaika tahaka izao vao mikoropaka ny Mpitondra, ary io tonga amin’ny fanapahan-kevitra hafahafa manakatona tanteraka ny Sekoly Ambony politeknika io. Izay ve ny vahaolana farany? Ahoana ny fandaharam-potoana samihafa toy ny fanohanana voka-pikarohana? Tsy manome rariny ny fanakorontanana, saingy matoa tonga amin’izany dia misy marary ireo mpianatra ao. Eto rahateo raha tsy efa tonga amin’ny fitakiana mahery vaika tsy misy mpihaino sy tsy misy mpiraharaha. Matetika aza mbola ny mpitandro filaminana no halefa hiady sy hifandramatra amin’ny mpianatra. Boriboriana aza indraindray hoe: misy ambadika politika! Ho tonga amin’izany ve ny raharaha raha mahavaha olana ara-potoana sy araka ny tokony ho izy ny Fanjakana? Vatsim-pianarana izany ve tsy efa tokony handeha ho azy? Tsy efa tafisitra amin’ny fandaniana mahazatra na “charge fixe” ho an’ny Fanjakana ve izany? Asa hoe: tsy nandalo oniversitem-panjakana ve ny mpitondra ambony na ny zanany ka tsy ho tsapany ny zava-misy iainan’ny mpianatra? Sa sanatria hiandry ny hiverenanin’ny sary tahaka ny tamin’ny 1972 nampihetsika ny mpianatra zana-bahoaka vao ho taitra?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Mention Ingénierie Minière
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

eny Vontovorona Tena tratejika ho

  • Grevy eny anivon'ny Lisea teknika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nivaha ny tao Ambositra,

  • Tahina Razafinjoelina
  • Talata 14 Aprily 2026

Hampita ny fampamokarana miainga amin'ny IA

  • “Africa Summit
  • Talata 14 Aprily 2026

Education 2026” Namiratra ny mpampianatra

  • MPIANATRA MAY
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

TRANO TENY ANKATSO

  • Fonenan’ny mpianatra eny Ankatso II
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

Hotohoton’ny afo ny Bloc 51

Hijery ny tohiny
FTT