Tsy fahaizana mamaky teny sy manoratra

Mbola mahatratra 23,5% amin’ny Malagasy


  • Alarobia 21 Aogositra 2024

Eo amin’ny 23,5% amin'ny Malagasy no tsy mahay mamaky sy manoratra, araka ny

valin’ny fanadihadiana naharitra natao ny 2021-2022, notaterin’ny fampahalalam-baovao iray omaly. Misy fiantraikany lehibe kokoa izany amin'ny olona mahantra, amin'ny 40% amin'ny mponina voalaza ho "mahantra fadiranovana", raha oharina amin'ny latsaky ny 5% ho an'ny mponina izay atao hoe "manankarena". Ankoatr'izay, 31,1% amin'ny mponina Malagasy no tsy manana fahafahana amin'ny fanabeazana. Misy fahasamihafana lehibe hita amin'ny resaka fanabeazana eo amin'ny fianakaviana mahantra sy ireo fianakaviana sokajiana ho manankarena, miaraka amin'ny fahitana mazava sy tsy fisian'ny fanabeazana araka ny tokony ho izy amin'ny fianakaviana tena mahantra (48%), raha oharina amin'ny 9,7% ho an'ny fianakaviana manan-katao. Na izany aza, ny tahan'ny fahavitrihana miditra an-tsekoly ho an'ny ankizy 6 ka hatramin'ny 10 taona dia 95,5%. Ny tahan'ny fisoratana anarana amin'ny sekoly eto Madagasikara dia 70,6% ho an'ny ambaratonga fototra, 28,3% ho an'ny voalohany amin'ny ambaratonga faharoa, ary 13,1% ho an'ny dingana faharoa amin'ny ambaratonga faharoa. Ny tahan'ny famerenana kilasy amin'ny ambaratonga fototra kosa dia 15,5% ary ny amin'ny voalohany amin'ny ambaratonga faharoa dia 7,2%. Endrika maneho izany, fa mbola mila ezaka ny fanabeazana eto amintsika, ary misy ny elanelana goavana, mila fanatsarana ny tontolo ankampobeny mikasika ny fampianarana mba hisian’ny fitoviana lenta, mila hatsaraina ny votoatom-pampianarana mba hifanaraka amin’ny otrikarena misy eto Madagasikara, ka mba tena ho fanoitra ara-toekerana sy handresena ny fahantrana,…
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fisakafoana an-tsekoly
  • Zoma 19 Jona 2026

Modely mahomby erantany ny any Korea

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

Hijery ny tohiny
FTT