Fampianarana

Tsy fahaiza-mamaky teny sy manoratra Misy olon-dehibe hatrany amin’ny 70 taona mbola vonon-kianatra


  • Alatsinainy 30 Aogositra 2021

Mbola betsaka ireo olona tsy mahay mamaky teny sy manoratra eto amintsika. Tsy hanavahana sokajin-taona izany fa misy hatrany amin’ny olon-dehibe 70 taona.

 Nisy tamin’izy ireny no nandia fianarana kely dia niala noho ny fahasahiranana raha misy ihany koa ireo tsy nandia izany mihitsy. Nisy ny fampianarana mamaky teny sy manoratra ary mikajy nokarakarain’ny fikambanana Lions Club sy ny CDA Andohatapenaka nanomboka tamin’ny sabotsy teo. Olona miisa 99 no tonga nisoratra anarana tamin’izany ka zokiolona mihoatra ny 70 taona no lehibe indrindra. Mianatra indray mandeha isan-kerinandro izy ireo mandritra ny efa-bolana. Anisan’ny hampianarina azy ireo mandritra izany ny fahaizana mamaky teny sy manoratra. Toraka izany koa ny mikajy izay tena olana goavana sedrain’ireo Renim-pianakaviana maro. Misy manambaka hatrany mantsy izy ireny rehefa mandeha miantsena ka mividy zavatra raha araka ny fitarainany. Narahina fijerena maso maimaim-poana notanterahin’ny fikambanana Lios Club izany. Mampiasa maso raha tsiahivina ny fianarana mamaky teny sy manoratra indrindra fa ho an’ny olon-dehibe hoy izy ireo ka tsy maintsy nitadiavam-bahaolana mialoha izany.
Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT