Fampianarana

Tranombokin’ny fandriampahalemana Nosokafana ihany koa ny ao Andavamamba


  • Alatsinainy 17 Oktobra 2022

Ho fanabeazana ara-pandriampahalemana ny ankizy dia nosokafana ihany koa ny tranombokin’ny fandriampahalemana ho an’ny EPP Andavamamba ny sabotsy teo.

Araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra eo anivon’ny HWPL, Holisoa Andriamanisa, dia fiaraha-miasan’ity rafitra iraisampirenena momba ny fandriampahalemana ity amin’ny CISCO Antananarivo renivohitra izy ity. Zava-dehibe indrindra ny fanabeazana hahafahan’ireo ankizy ho tonga olon’ny fandriampahalemana, hoy izy. Tena olana eto Madagasikara ny tsy fandriampahalemana ka aleo beazina dieny mbola kely ireo ankizy ireo mba hanome lanja izany fitiavana fandriampahalemana sy fitiavana olombelona izany. Misy ny fanaraha-maso iarahana amin’ny kaominina renivohitr’Antananarivo amin’ny alalan’ny “bibliothèque municipal” izay manofana ireo mpitana tranomboky hanatontosa izany fanaraha-maso izany. Nisy fanadihadiana natao tamin’ireo sehatra rehetra ka nahafahana nahita fa ny sehatry ny fanabeazana no tena ahafahana mitory fandriampahalemana eto Madagasikara. Tranomboky hatrany no fidiana hapetraka satria ny vaky boky no tontolo iray hahafahana mahafantatra zavatra be dia be. Tsy hanana fahafahana ho any ivelany na hitety izao tontolo izao ny ankizy fa amin’ny alalan’ny vaky boky no hanaovany izany sy hananany nofinofy ary fanantenana ho an’I Madagasikara. Efa misy tranombokin’ny fandriampahalemana ihany koa moa ao amin’ny EPP Ampasandratsarahoby sy toeram-panabeazana samihafa, hoy hatrany ny fanazavana sy fanamarihana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT