TRANOM-BOKY MONISIPALY ETSY ANALAKELY

Azon’ireo manana fahasembanana ara-batana hampiasaina tsara


  • Zoma 13 Oktobra 2023

Raha anisan’ny nampitaraina fatratra ireo olona manana fahasembanana ara-batana hatramin’izay ny tsy

fahafahan’izy ireo misitraka ireo karazana foto-drafitrasa mijoro fampiasan’ny daholobe dia efa natao mifanaraka amin’izay mihitsy ny tranom-boky monisipaly foibe etsy Analakely. Tsy atahorana ny totohatra misy ao an-toerana fa mety ho an’ireny karazan’olona ireny raha toraka izay ihany koa ny seza hipetrahana raha hamaky boky. Vita tanteraka ary efa misokatra ho an’ny daholobe tamin’ity herinandro ity ny tranom-boky monisipaly foibe etsy Analakely. Nohavaozina manontolo ny fotodrafitrasa izay nampanarahana ny vanin’andro sy ny filàn’ny mponina. Vokatry ny fiaraha-miasan’ny Firenena japoney sy ny région Ile de France no angady nananana sy vy nahitana izany, asa naharitra herin-taona sy tapany teo ho eo. Tanjon’ny mpikarakara ny mba hahafahana manampy ireo mpianatra eto Antananarivo renivohitra amin’ny fanovozam-pahalalana amin’ny alalan’ny boky. Na izany aza afaka miditra ho mpikambana ihany koa ireo olona efa miasa, ny ankizy madinika efa mahay mamaky boky, ny fianakaviana... Ny hahatonga ireo mpikambana hahatratra hatrany amin’ny 3.000 isa ao anatin’ny herin-taona no tanjona raha ny am-pahatelon’izay no nisy teo aloha. $
Pati
Legende : Ity ilay tranom-boky nasiam-panavaozana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fisakafoana an-tsekoly
  • Zoma 19 Jona 2026

Modely mahomby erantany ny any Korea

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

Hijery ny tohiny
FTT