TRANOM-BOKY MONISIPALY AMBATOBE

Manabe sy mampiroborobo ny kolontsaina ho an’ny ankizy


  • Alakamisy 27 Jona 2024

Tsy manadino ireo ankizy ny tranom-boky monisipaly kaominaotera Ambatobe Amin’izao voolana Jona hankalazana

ny iray volan’ny ankizy sy ny tsingerin-taona faha-64 niverenan’ny fahaleovantena izao. Hetsika miavaka no nentin’izy ireo nanamarihana izany ny 24 sy ny 25 Jona lasa teo nahitana lalao isan-karazany toy ny fifaninana katro sy fanorona, fitantarana angano ary koa atrikasa fanaovana sary sy fanamboarana kilalao nentin’ny Tetikasa Kanto Manabe (TKM). Tsy nijanona teo anefa izy ireo fa nitondra zava-baovao hafa ihany koa. Anisan’izany ny fanentanana sy fanetsehana ara-tontolo iainana, ny fampivadiana ny tantara an-tsehatra sy angano nentin’ny EcoKids ho an’ireo ankizy ao Ambatone. Tanjon’ny fikambanana mintantana ny tranomboky sy ny fitaleavana ny haikanto, kolontsaina sy ny fiainam-piarahamonina eo anivon’ny Kaominina Antananarivo renivohitra ny fanomezana fanabeazana feno ho an’ireo ankizy eny anivon’ny boriborintany arahin’ny fampiroboroboana ny vaky boky. Izany no tanteraka dia vokatry ny fiaraha-miasa tamin’ireo mpiombon’antoka maro toy ny Nutrizaza izay nanolotra Poabary Aina 600 isa, ny ONG Y’Dago nanampy tamin’ny fampitaovana. Mbola hitohy hatrany ny hetsika raha araka ny nambaran’ny filohan’ny fikambanana mintantana ny tranomboky. Misokatra amin’ny fiaraha-miasa amin’ny rehetra moa izy ireo no mba ho zary ho ivon-toerana fikarohana sy fakana loharanon-kevitra ny tranomboky, na eo amin’ny lafin’ny kolontsaina izany na eo amin’ny lafin’ny fibeazana sy fampianarana. Mandray olon-dehibe ihany koa ny tranom-boky.
Pati
Legende : Nandritra ny fifampizarana tamin’ireo kilonga madinika tao amin’ny tranom-boky monisipaly Ambatobe !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT