Tontolon’ny fanabeazana eto Madagasikara

Mbola tena sarotra ny fanarenana


  • Talata 04 Novambra 2025

Nitohy omaly nanomboka tamin’ny 7 ora

maraina ny savorovoro teo an-tokontanin’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena etsy Anosy. Nitokona teo ireo mpianatra avy amina liseam-panjakàna toy ny LMA sy LJJR sy ireo mpampianatra toy ireo niofana tao amin’ny CRINFP ary ireo sendikàna mpanabe na mpandraharaha miasa eo anivon’ity minisitera ity ihany koa. Avelao izahay hianatra, hoy ireo mpianatra, tsy ekena ny taona fotsy. Tena malahelo izahay, hoy ireo mpanabe sy mpampianatra, fa efa nomenao fotoana nefa nitsoahanao fotsiny. Mba tsy hampihitatra ny raharaha dia vahao, hoy izy ireo, ny olan’ny mpanabe. Mijaly ny mpianatra ary miandry izany. miisa 2800 izao ireo miandrandra mafy ny ho ampidirina mpiasam-panjakàna. Efa tamin’ny 2019 no nanomboka ny «appel à manifestation» na fangatahana izany, saingy noho ny aretina tsy azo nanoharana dia ny COVID 19, dia niandry ny mpampianatra. 2021, niditra tanaty toeram-piofanana, ary tsy nahazo fampitaovana nandritry ny 2 taona. Fanabeazana tsara kalitao no andrandraina nefa indrisy fa tsy nisy voaray na iray aza ireo hoe nofanina amin’izany. Efa tafiditra tanaty tetibola hiaingàna na LFI 2023 ary nahazo ny alalana hampiharana izany nefa hatramin’izao tsy nisy. Izany no iantsoana ny minisitra hoe ampidiro mpiasam-panjakàna izahay fa efa tokony tafiditra anatin’io toerana misitraka teti-bola na «poste budgétaire» io! Tsy voalazan-dramatoa minisitra tao anaty kabariny akory ny mikasika ny CRINFP, izay nivoahanay. Niofana nandritry ny 2 taona nefa izahay. Marary izany. 6 taona izany izao. Tsy nisy na dia fampitaovana sy vatsim-pianarana akory fa nianto-tena izahay, hoy hatrany ny fitarainan’ireto mpampianatra sy mpanabe ireto. Hita ho mbola tena sarotra, araka izany, ny fanarenana ity tontolon’ny fanabeazana eto Madagasikara ity.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Zoma 12 Jona 2026

Nitondra am-bavaka ny

Hijery ny tohiny
FTT