Fampianarana

Tontolon’ny fampianarana Olana goavana ny fandoavana ekolazy


  • Talata 14 Septambra 2021

Mitaraina fatratra noho ny fahasahiranan’ny Ray aman-dRenin’ny mpianatra ny ankamaroan’ireo sekoly tsy miankina eto amintsika.

 Ankoatra ny tsy fahampian’ny fitaovam-pianarana hampiasain’ireo mpianatra mantsy dia fantatra ihany koa fa tena marobe ireo manana olana amin’ny fandoavana saram-pianarana efa no tapa-bolana izao. Zara raha misy manatitra saram-pianarana ny Ray aman-dReny indrindra fa ho an’ireo sekoly mametraka ilay fepetra tsy maintsy handoavana izany eo amin’ny fahadimin’ny volana hitsahina. Ho an’ny kilasy iray raha araka ny fanazavan’ny talen-tsekoly iray dia ny ampahatelon’ny mpianatra sisa no mahaefa izany ara-dalana. Saika mangatak’andro kosa ny ampahatelony raha tsy ahenoana feno mihitsy ireo Ray aman-dReny sasany. Sahirana ny ankamarona’ny tokantrano Malagasy hoy ny talen-tsekoly iray, indrindra fa tamin’ity taona 2021ity. Fohy loatra mantsy hoy izy ny fotoana tsy maintsy nanangonana ny fitaovam-pianaran’ireo mpianatra….hany ka miraviravy tanana ny Ray aman-dReny. Amin’ny ankapobeny moa dia tsy sarotiny loatra amin’ity fahataran’ny fandoavana saram-pianarana ity ireo sekoly tsy miankina saingy miantso ireo Ray aman-dReny mba hiezaka kosa hahafahany mandoa ny tambin-karaman’ireo mpampianatra.

Pati

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT