Fampianarana

Tolon’ ny mpampianatra Hisy fanambarana goavana anio


  • Alatsinainy 23 Jolay 2018

Taorian’ilay fanambarana nataon’ny praiministra Ntsay Christian ny faran’ny herinandro teo mikasika ny fepetra tsy maintsy horaisiny manoloana ireo mpampianatra mitokona dia nanamafy ny sendikan’ny mpampianatra ny faran’ny herinandro teo fa mbola hitohy anio Alatsinainy ny tolona.

Hosantarina amin’ny fanambarana lehibe hotontosain’ireo ceg sy lisea lehibe rehetra eto amin’ny Faritra Analamanga izany, ary dia hiara-hisitaka ao amin’ny tokontany malalaky ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena izy ireo aorian’izany hanohy ny tolona.  Raha fanapahan-karama no kasain’ny Fitondram-panjakana  hatao hoy Rtoa Lovaniaina, filoha lefitry ny sendikan’ny mpampianatra mpiasam-panjakana ( SEFIMA) noho ny fitokonana tsy miato dia iza indray no hampianatra ny zava-bahoaka ary hahavita ny asan’ireo mpampianatra mpiasam-panjakana manerana ny Nosy ve ny fikambanan’ireo mpampianatra eny anivon’ny sekoly tsy miankina ? Ankoatra izay hoy izy dia noho ny fahasahiranana mianjady amin’ny mpampianatra no antony hitokonany ka mbola hotapahina ihany ve ny karama kely mba raisiny isam-bolana ? Azo  lazaina angamba hoy hatrany ity filoha lefitry ny SEFIMA ity fa tsy hahavaha  olana izany ary tsy hitondra fitoniana mihitsy mankany amin’ny fanatanterahana ny fanadinam-panjakana isan-tsokajiny. Nomarihin’ireo mpampianatra marobe mitokona etsy Anosy moa fa tsy hihemotra izy ireo raha tsy mivaly ny fitakiany koa andrasana izay mety ho tohin’izany.

 Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT