Toerana fialam-boly ho an’ny mpianatra

Mbola tsy ampy ny eto an-drenivohitra, hoy ny mpanabe


  • Alakamisy 02 Mey 2024

Tena mbola tsy ampy ny toerana fialam-boly sy fanaovan’ny mpianatra fanatanjahantena eto an-drenivohitra.

Manampy trotraka izany ny tsy fisian’ny fikarakarana sy ny fikojakojana ireo izay efa misy, antony mahatonga ireo mpianatra hiatrika ny adina ara-panatanjahantena BEPC sy Bakalorea handoa lela-vola hatramin’ny 7.000 Ar isan’olona. Anisan’ny antony nanosika ny vondro-panabeazana Aceem hanangana foto-drafitrasa goavana hialan’ny mpianatra ao aminy voly sy hanaovany fanatanjahantena izany. Etsy Anjeva no misy io toerana io izay natokana ho an’ny mpianatry ny oniversite, lisea ary ny cours Aceem rehetra eto amintsika. Tafiditra ao anatin’ny fanabeazana avokoa izany rehetra izany raha araka ny fanazavan’ny Mpanabe Ratrema William nandritra ny fitokanana io toerana io afak’omaly Talata faran’ny volana Aprily. Ahitana fanaovana tennis izany, basket baolina….Nomarihin’ity mpanabe ity moa fa mbola hitohy amin’ny fananganana foto-drafitrasa tahaka izao izy ireo manerana ny renivohitra ka ho avy tsy ho ela indray ny fitokanana ny manaraka.
Pati
Legende : Ny mpanabe Ratrema William tsy zoviana amin’ny rehetra intsony !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT