Diso ny filazana fa hisy fandroahana faobe ! Tsy maintsy mpianatra ara-dalàna kosa!»
Efa tapitra tanteraka ny fanaovana fisoratana anarana sy fiverenana misoratra anarana, ka aorian’izay dia hiroso amin’ny fandraisana fangatahana trano na fanavaozana ny CROU-A (Centre Régionale des des Œuvres Universitaires d’Antananarivo). Nanazava sy nanamafy ny CROU-A omaly tamin’ny alalan-dRAVONJISON Tamby Nasolo Tale Lefitra, fa tsy miova ny fepetra, ka izay no nanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ny oniversiten’Antananarivo. Miainga amin’ny angon-drakotra na « base des données » avy amin’ny oniversiten’Antananarivo noho izany no hanamarinana na tena mpianatra na tsia ny mpangataka. « Diso ny fiheverana hoe hisy ny « assainissement général » izay adikan’ny sasany hoe : hesorina daholo na mpianatra na tsia. Mbola tsy izay aloha no himasoan’ny Minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, fa ny fanatsarana sy fampitomboana ny fahafahana mandray mpianatra na « capacité d’accueil » ho an’ireo toeram-ponenan’ny mpianatra eny amin’ny anjerimanontolon’Antananarivo », hoy hatrany RAVONJISON Tamby Nasolo. Noho iany, « afaka mandry ivoho ny vato noho izany na ny mpianatra na ny Raiamandrenin’ny mpianatra mipetraka eny raha toa ka misoratra ara-dalàna eny amin’ny oniversiten’Antananarivo, ary mahafeno ny fepetra rehetra ahafahana mipetraka eny amin’ny toeram-ponenan’ny mpianatra », hoy hatrany izy. Mason-tsivana fampiasa eo anivon’ny CROU-A hatramin’izay ny maha voasoratra anarana fa mpianatra ara-dalàna, nametraka antontan-taratasy feno teny anivon’ny CROU-A,… Raha ny lalàna dia tsy mbola afaka misitraka ny taona voalohany. Nomarihiny fa misy ny asa fanamboarana sy fanorenana na eny Vontovorona na Ankatso II, ary mbola hanampy izany ihany koa ilay trano vaovao Lac Village eny Tsarasaotra. Natao ny fanamafisana fiaraha-miasa teo amin’ny UV sy CROU-A ahafahana manamarina fa tena mpianatra sy misoratra amin’ny oniversite tokoa no mangataka sy misitraka ny toeram-ponenan’ny mpianatra. Hahafahana manara-maso ny fisitrahana ny toeram-ponenan’ny mpianatra ny fanamafisam-piaraha-miasa teo amin’ny Oniversiten’Antananarivo, hoy hatrany ny CROU-A.
Toky R
Légende : RAVONJISON Tamby Nasolo Tale Lefitra eo anivon’ny CROU-A
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.