Fampianarana

Toe-draharahan’ny oniversitem-panjakana « Efa misy naharay karama ary misy ny an-dàlana»


  • Alarobia 06 Oktobra 2021

« Araka ny tapaka tamin’ny fivorian’ny COPRIES nahitana ny Filohan’ny Oniversite miisa 6 sy ny Sojaben’ny Fakiolte, ireo Tale Jeneralin’ny IST

 dia efa tapaka fa nanomboka ny 4 oktobra hatramin’ny 11 novambra ny fidirana eny amin’ny Oniversitem-panjakana. Tsy hoe ny 4 oktobra fotsiny izany fa ao anatina « interval», hoy ny Tale Kabinetran’ny Minisiteran’ny fampianarana ambony Pr Diny Razanakolona omaly nitondra fanazavana. Manoloana ny fampidirana ireo mpianatra afaka bakalorea ny 2020 sy 2021 kosa, dia misy ny filankevitra siantifika izay mandinika ny fahafaha-mandray azy ireo. Eo ihany koa ny endri-panofanana “hybride” sy ny “à distance” na ampitain-davitra raha ohatra ka tsy atonona ny efitrano. Tokony hofaranana ny 20 novambra ny fisoratana anarana rehetra ahafahana mandamina ihany koa ny resaka vatsim-pianarana. Miara-misalahy ny Ministeran’ny fampianarana ambony sy ny Minisiteran’ny vola mpiahy ara-bola. Momba ny fahataran’ny karaman’ny mpandraharaha, dia efa mikarakara azy ny eo anivon’ny “Contrôle Financier” miaraka amin’ny Minisitera satria resaka ara-bola na “Etat financier” tsy mitovy teo amin’ny “Contrôle Financier” sy ny “Service pension et solde” no voalaza fa antony. Tsy mitovy ihany koa ny zava-misy satria ho an’ny oniversite sasany, toa an’I Fianarantsoa, Mahajanga, Antsiranana, dia efa nahazo ny karama septambra na nivoaka ny “BTR” ho an’ny septambra-oktobra, fa misy kosa ireo miandry ny filankevi-pitantanana izay hivory hanapaka momba ny “Etat financier” sy ny “compte administratif” ho an’ny taona 2020, ka miandry kely an’izay ny fahafahana mandoa ny karama, ho an’ny oniversiten’Antananarivo dia “Etat financier” no olana, fa efa miravona amin’izao, ary hivaha tsy ho ela io”, hoy ny Pr Diny Razanakolona. Mikasika ny “bourse” dia efa voalamina tsy misy olana intsony manomboka L2 hatramin’ny M2 satria efa fantatra hoe iza no afaka na iza no tsy afaka, fa ny L1 na ny taona voalohany no mbola anatin’ny “digitalisation”, raha ny fanazavana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Mention Ingénierie Minière
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

eny Vontovorona Tena tratejika ho

  • Grevy eny anivon'ny Lisea teknika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nivaha ny tao Ambositra,

  • Tahina Razafinjoelina
  • Talata 14 Aprily 2026

Hampita ny fampamokarana miainga amin'ny IA

  • “Africa Summit
  • Talata 14 Aprily 2026

Education 2026” Namiratra ny mpampianatra

  • MPIANATRA MAY
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

TRANO TENY ANKATSO

  • Fonenan’ny mpianatra eny Ankatso II
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

Hotohoton’ny afo ny Bloc 51

Hijery ny tohiny
FTT