Toamasina

Mpianatra 29 voasoloky, tsy afaka hiatrika bakalorea


  • Talata 16 Jolay 2024

Mpianatra 29 avy amin’ny sekoly tsy miankina iray no tsy afaka hiatrika ny bakalorea

ny alatsinainy ho avy izao. Voalaza fa voasolokin’ny talen-tsekoly iray. Mba vonjeo izahay, fa te hiatrika fanadinana izahay, ny fiainanay tanora mihitsy no tadiaviny hopotehina. Voaloa ara-dalàna ny saram-pianarana sy ny saram-panadinana, ary ny antontan-taratasy rehetra. Nasaina nameno dosie saingy tsy nateriny ny dosie, kanefa ny vola saran’ny fanadinana naloa. Miantso vonjy sy vahaolana ho azy ireo ireto mpianatra ireto. Miantso ny fitondram-panjakana sy ny mpitandro ny filaminana handray fepetra hentitra mikasika an’ireo mpampianatra izay miisa 2 no voalaza fa tompon’antoka. Voalaza moa tsy hita izay nanjavonan’ilay Talen-tsekoly izay ambaran’ireo mpianatra fa namitaka azy ireo. Sekoly vaovao vao noforonina moa izy io, ary noho ny fahaizan’ilay mpampianatra mampianatra no nananan’ireo Ray aman-dReny fitokisana, ka nampianatra ny zanany tao, kinanjo izao voasoloky izao.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fisakafoana an-tsekoly
  • Zoma 19 Jona 2026

Modely mahomby erantany ny any Korea

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

Hijery ny tohiny
FTT