Toamasina

Miato hatramin'ny rahampitso ny fampianarana


  • Alakamisy 15 Febroary 2024

Nanapa-kevitra ny komity misahana ny loza voajanahary ao amin'ny

faritra Atsinanana fa miato hatramin’ny 16 febroary ny fampianarana ao amin'ny faritra Atsinana. Voakasiky ny fampiatoana ny fampianarana avokoa ny sekoly miankina sy tsy miankina amin'ny fanjakana ao amin'ny farimpiadidimpampianarana voalohany sy faharoa mandra-pihenan'ny rotsak'orana sy mampidina ny rano. Tonga dia nampiharina avy hatrany io, izay efa nosoniavin'ny Préfen'i Toamasina. Andaniny, raha ny vinavinan'ny Foibe famantarana ny toetry ny andro, dia haharitra hatramin'ny 18 febroary ny rotsak'orana. Efa misy mandray traboina rahateo ny EPP Maro toy ny ao Valpinson, Analamboanio ary Ambohijafy, hoy ny tatitra. Hitohy ny rotsak'orana amin’ny morontsiraka atsinanan’i Madagasikara mandritra ny andro vitsivitsy, ka Distrika dimy ao amin’ny faritra Atsinanana sy Analanjirofo no ao anatin’ny loza fanairana ho an’ny omaly 14 febroary, dia i Vavatenina, Fenoarivo Atsinanana, Toamasina I sy II, ary ny any Vatomandry. Tsara ny manamarika, fa isan’ny tena lasibatra i Fenoarivo Atsinanana ankehitriny.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fisakafoana an-tsekoly
  • Zoma 19 Jona 2026

Modely mahomby erantany ny any Korea

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

Hijery ny tohiny
FTT