Fampianarana

Tetikasa sekoly nomerika Sekoly 20 vatsiana tablettes, vidéoprojecteurs,…


  • Talata 13 Oktobra 2020

Sekoly 20 indray no hisitraka ny tetikasa “Ecole numérique” iarahan’ny Ministeran’ny Fanabeazana amin’ny Orange solidarité amin’ity taom-pianarana 2020-2021 ity.

 

 

 Hahazo « kits numériques » izay ahitana « tablettes » 50, « casques » 50 , « serveurs Raspberry » miisa 2, « vidéoprojecteur » iray miaraka amin’ny « écran », « Powerbank » ary ny kojakoja mifandraika amin’ireo fitaovana ireo ny sekoly tsirairay voakasiky ny tetikasa manerana ny Nosy. Efa misy boky 2500 miaty lesona hampidirina ao anatin’ireo « tablettes » ireo mba hahafahana manatsara ny fari-pahaizan’ireo mpianatra amin’ny ambaratonga fototra sy faharoa. Tanjona ny hampiakarana ny fari-pahaizan’ny zaza malagasy amin’ny fampiasana ny teknolojia vaovao, amin’ny famakiana boky betsaka indrindra mba hahafahan’izy ireo mampivelatra kokoa ny fomba fisainana hoy ny Minisitry ny Fanabeazam-Pirenena, hoy ny fampitam-baovao. Efa nanomboka tamin’ny taona 2014 ny tetikasa « école numérique » teto Madagasikara ary mahatratra 136 ireo sekoly efa nisitraka izany raha 6000 ireo « tablettes » efa nozaraina. Vita omaly teto Anosy ny fifanaovan-tsoniam-piarahamiasa teo amin’ny roa tonta ho fanohizana ny tetikasa, izay nataon-dRamatoa Josie Randriambelo filohan’ny Orange Solidarité Madagascar tena sy ny Minisitra Sahondrarimalala Marie Michelle.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT