Fampianarana

Tetikasa FIahiana AN-TSEkoly Mampakatra ny voka-panadinan’ny mpianatra


  • Sabotsy 01 Septambra 2018

Nanatanteraka fanaovan-tsonia fiaraha-miasa ny fikambanan’ny Tanora Mpanao gazety Malagasy (AJJM), ny fikambanana Patrakala, ny tetikasa maneran-tany ho amin’ny sakafo (PAM) ary ny minisiteran’ny fanabeazana.

 

 

 Omaly zoma 31 aogositra no nampahafantarina io paikady sy programa anankiray napetraka eny anivon’ny sekoly io ho fanatsarana kokoa ny fisitrahan’ny ankizy any an-tsekoly ny sakafo misy otrikaina. Noho io sakafo misy otrikaina io dia hahomby ary hatsilo saina ny ankizy mianatra eny an-tsekoly. Mizara traikefa ny amin’ny fomba fihinanana izany sakafo izany ny PAM sy ireo fikambanana ireo. Etsy an-daniny, mijery ny zavatra azo ambolena eny amin’ilay faritry ny sekoly ny ankizy sy ny tanora mpianatra. Mikarakara ny zaridaina mamokatra sakafo sy ireo hazo fihinam-boa izy ireo ary ireo fikambanana sy ny PAM ihany no manolo-kevitra. Niakatra hatrany ny tahan’ny fahafahan’ny mpianatra nanaovan’ny PAM io tetikasa io araka ny tatitra nataon’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena. Tamin’ity taona ity izao dia nisy mihitsy ny sekoly nahatratra hatrany amin’ny 94% ny taham-pahafahana raha 60% ny sehatra nasionaly. Ankoatra izay, mavitrika ny ankizy anaovana ity tetikasa ity na amin’ny fambolena izay ataony na amin’ny fianarana rantoviny.

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT