Fampianarana

Telo volana faharoa mitaky ezaka lehiba avy amin’ny mpianatra


  • Talata 08 Janoary 2019

Anio talata 08 janoary indray no hanomboka hiditra an-tsekoly avokoa ireo mpianatra manerana ny Nosy ao anatin’ny fiatrehana ny telo volana faharoa.

 

 

 

   Telo volana faharoa izay nambaran’ireo sekoly tsy miankina sasany fa tsy feno tanteraka ho azy ireo satria ny volana novambra izy ireo vao tena niditra raha septambra kosa ny tany amin’ireo sekoly mampihatra ny fandaharam-pianarana Frantsay. Na izany aza anefa hoy ny tale jeneralin’ny vondrona Arcade  Ratoejanahary Bruno Doudou dia ity  telo volana faharoa ity no tena herin’ny fampianarana. Mila manova ny fomba fianarana ny mpianatra raha te ho afaka fanadinana sy hifindra kilasy, hoy izy. Lohalaharana amin’ireny ny fifohazana maraina isan’andro ka izay taranja tsy hay indrindra no hianarana voalohany. Tsy dia tsara loatra ny mianatra amin’ny alina satria efa mitady torimaso ny vatana noho ny havizanana. Mety sy tsara ihany koa  raha hitan’ny mpianatra ao anatin’ny andro iray avokoa ny taranja rehetra hianarana mba tsy hanahirana rehefa tonga ny fotoam-panadinana. Farany dia nomarihiny fa  zava-dehibe ho an’ny mpianatra ny fihainoana ny fanazavan’ny mpampianatra hahafahana mandray ireo hevi-dehibe tena tiany hampitaina.

 

 

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fisakafoana an-tsekoly
  • Zoma 19 Jona 2026

Modely mahomby erantany ny any Korea

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

Hijery ny tohiny
FTT