Fampianarana

Teach for Madagascar, OSC, WHH, Agrisud Hiara-hiasa amin’ny minisiteran’ny fanabeazana


  • Alarobia 08 Desambra 2021

Tontosa omaly 07 desambra 2021 tao amin’ny efitrano malalaky ny Minisiteran’ny Fanabeazam-Pirenena Anosy ny Fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa efatra niarahan’ny Minisitry ny

 Fanabeazam-Pirenena Sahondrarimalala Marie Michelle sy ny solontena avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka dia ny « Organisation de la Société Civile » (OSC), ny ONG « Teach for Madagascar », ny « Association française Agrisud International », ary ny « ONG Welt Hunger Hilfe » (WHH). “Tafiditra anatin’ny lalan-tsaina mahakasika ny fanatsarana ny kalitaon’ny fanabeazana izao fiaraha-miasa napetraka izao ary tsy manana ahiahy ny amin’ny fanantanterahana izany ny minisitera satria efa hita avy hatrany ny fahavononana eo aminareo mpiara-miasa izay isaorana manokana », hoy ny minisitry ny fanabeazam-pirenena. Fiaraha-miasa izay nilazana fa tsy miompana fotsiny amin’ny fanomezana fahalalana ny zaza Malagasy ny sehatry ny fanabeazana fa mitondra fanatsarana ny amin’ny fitantanana amin’ny ankapobeny iarahana amin’ny fiaraha-monim-pirenena, ny fanatsarana ny kalitaon’ny fanabeazana amin’ny maha-olom-pirenena sy fandraisana andraikitra izay iarahana amin’ny Teach for Madagascar, ny fampisakafoana ny ankizy eny anivon’ny fokontany 40 any amin’ny faritra Itasy izay ataon’ny Agrisud, ary ny fampianarana fanajana tontolo iainana iarahana amin’ny Zaza Green. “Asa lehibe izany ary mankasitraka ny mpiara-miombon’antoka fa hita izao fa tsy irery ny minisitera amin’ny fiahiana ny zaza Malagasy”, raha ny nambaran’ny Minisitry ny fanabeazana hatrany.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Mention Ingénierie Minière
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

eny Vontovorona Tena tratejika ho

  • Grevy eny anivon'ny Lisea teknika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nivaha ny tao Ambositra,

  • Tahina Razafinjoelina
  • Talata 14 Aprily 2026

Hampita ny fampamokarana miainga amin'ny IA

  • “Africa Summit
  • Talata 14 Aprily 2026

Education 2026” Namiratra ny mpampianatra

  • MPIANATRA MAY
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

TRANO TENY ANKATSO

  • Fonenan’ny mpianatra eny Ankatso II
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

Hotohoton’ny afo ny Bloc 51

Hijery ny tohiny
FTT