Taratasy ilaina amin’ny fanadinam-panjakana

Maimaimpoana avokoa ho an’ny kaominina Alasora


  • Alarobia 13 Martsa 2024

Sahirana ny ankamaroan’ny Ray aman-dRenin’ny mpianatra ankehitriny.

Na ny sakafo hohanin’ny mpianatra aza efa tena tsy zarizary vokatry ny fahasahiranana sy ny fidangan’ny vidim-piainana. Indray mandeha isan’andro ihany no mba miara-misakafo ny mpianakavy fa ny ankoatra izay dia miaina amin’izay sakafo masaka hita eny rehetra eny fotsiny. Manoloana io tranga io dia samy miezaka manao izay anjara tandrifiny azy ny tsirairay mba hahafahana mampitombo ny taham-pahafaham-panadinan’ny mpianatra indrindra fa ireo hiatrika fanadinam-panjakana. Ho an’ny kaominina Alasora Avaradrano manokana dia fantatra fa maimaim-poana avokoa ny fikarakarana ireo karazana antontan-taratasy ilain’ny mpianatra amin’ny fiatrehana ny fanadinana toy ny bulletin de naissance … Hetsika efa fanaon’ny kaominina isan-taona entina hanampiana ny Ray aman-dRenin’ny mpianatra izy io raha araka ny fanazavan’Atoa Rehotrozo Tojo, lefitra faharoan’ny Ben’ny tanana. Ankoatra izay dia nazavainy ihany koa fa efa mahatratra 300 isa ankehitriny ireo ankizy mpianatra hiatrika ny fanadinam-panjakana BEPC manaraka ilay cours maimaim-poana omen’ny kaominina isaky ny andro Sabotsy ao amin’ny CEG raha 250 isa ireo hiatrika ny Bakalorea izay manaraka izany ao amin’ny lisea. Mbola mitohy hatrany moa ny fisoratana anarana ho an’ireo mpianatra ao Alasora mbola tsy tafiditra, raha araka ny fanazavany hatrany.
Pati
Legende : Izy no Rehotrozo Tojo, lefitra faharoan’ny Ben’ny tananan’ny kaominina Alasora !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT