Taranja siantifika

“Efa tokony ho mora ny mampita azy!”


  • Alarobia 23 Aogositra 2023

Any amin’ny ambaratonga fototra dia efa somary manahirana ankehitriny ny fanomanana ny toe-tsain’ny ankizy ho tia ny taranja siantifika,

hoy ireo mpanabe eo anivon’ny lisea HR Daniel Ambohipanja Ankadikely Ilafy. Ny ankamaroan’ny mpampianatra eny amin’ny ambaratonga fototra, hoy ny fanazavana, dia inoana fa saika nofanina tanaty taranja literera ary mifantoka bebe kokoa amin’izay. Ny fiarahamonina koa miezaka mampiseho fa sarotra ny taranja siantifika ary manamaivana ny taranja literera. Mihevitra ny mpianatra sy ny ray aman-dreny ary ny fiarahamonina fa mora ilay taranja literera dia mizotra mankany ny mpianatra. Lasa mpianatra vitsy sy manam-piniavana sisa manao ilay siantifika nefa azo atao tsara ny manomana an’izay, indrindra, ao anatin’izao vaninandro isian’ny fitaovana be dia be izao na dia atao hoe misy fahalafosany kely aza ohatra ny aterineto sy solosaina. Oharina amin’ny taloha izany dia efa tokony ho mora ny mampita ny taranja siantifika hananan’ny mpianatra toetsaina siantifika, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT