Fampianarana

Taranja matematika Mihena ny fitiavan’ny mpianatra azy


  • Alatsinainy 16 Desambra 2019

Misy ny fifaninanana mitondra ny lohateny hoe “Rallyes Mathématiques” karakarain’ny Ministeran’ny fanabeazam-pirenena sy ny vondron’ny mpampianatra matematika (GEMMA) miaraka amin’ny masoivohon’ny Frantsa.

 

 

 

 Ambany ary mihena hatrany ny tahan’ny mpianatra misafidy sy tia ny taranja siantifika eto Madagasikara. Noho izany indrindra no hikarakarana ity fifaninanana ity mba hampitomboana ny fitiavan’ny ankizy ny taranja matematika ary ny mba tsy atahorana izany intsony. Nanambara ihany koa ny Filohan’ny GEMMA, Ramahazosoa Parker fa mampalahelo ny zava-misy eto amin’ny firenena satria mihen-danja ny siantifika indrindra ireo matematisiana. Ny siansa sy ny fiainana ary na ny fivoaran’ny toekarena arahina isan’andro io aza dia miainga amin’ny matematika. Kolejy sy lisea amina faritra 9 moa no voakasika amin’ity fifaninana ity ary anatiny ny faritra Analamanga. Ahitana  sokajy maro izany ary eny amin’ny CISCO ny fanoratana anarana hatramin’ny 1 febroary 2020 ho avy izao.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT