Fampianarana

Taranja matematika Hampidirina kokoa amin’ny nomerika


  • Alarobia 17 Jolay 2019

Ny 16 ka hatramin’ny 25 jolay izao no hotanterahana eny amin’ny oniversiten’Antananarivo,

 eny Ankatso, ny fampiofanana hampidirana kokoa ny fampiharana ny taranja matematika amin’ny fampifandrasaisana azy amin’ny tontolon’ny nomerika, indrindra, manoloana izao fivoaran’ny teknolojia izao. Ny avy eo anivon’ny MISA, izay ivontoerana mikirakira ity taranja ity sy ny informatika ary ny fampiharana ireo antontan’isa miara-miasa amin’ny orinasam-pifandraisana Telma sy ny foibe iraisampirenena momba ny fampiharana matematika na CIMPA no miara-miombon’antoka amin’ny fikarakarana azy ity. Mpikambana eo anivon’ny Misa manerana ireo oniversite eto Madagasikara dia i Antananarivo sy Fianarantsoa ary ireo oniversite vahiny toa an’i Paris 7 sy Paris 13, ireo ivontoerana ambony momba ny matematika aty afrika toa an’I Senegal sy Roanda no akana ireo 60 mianadahy hisitraka ity fiofanana ity. Tanjona ny hahafahan’ireo mpiofana manatsara ny fifehezany izay fampifandraisana ny matematika sy nomerika izay, raha ny fanazavana hatrany.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT