Fampianarana

Taom-pianaran’ny Oniversite 2022-2023 Amin’ny 07 novambra ny fidirana ofisialy


  • Alarobia 06 Jolay 2022

Notanterahina omaly talata 05 jolay 2022 tao amin’ny Minisiteran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa eny Fiadanana ny CPU (Conférence des Présidents des Universités)

voalohany niarahana tamin'ireo filohan'ny Oniversite vaovao manerana ny Nosy sy ireo Tale jeneralin'ny IST ary ireo lehiben’ny sampam-pianarana samihafa. Nitarika izany tamin’ny alalan’ny “visioconférence” ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr Assoumacou Elia Béatrice, nanotrona kosa ireo Tale Jeneraly sy Tale isan-tsokajiny eto anivon’ny Ministera. Lohahevitra dimy lehibe no nodinihina, ka voalohany ny fandrosoan'ny asa fampianarana ho an'ny taona 2021-2022 (Etat d'avancement des activités pédagogiques 2021-2022). Efa saika mamaraparana ny taom-pianarana avokoa ny Oniversite rehetra ankoatra ny oniversiten'Antsiranana. Nomarihina fa vatsim-pianarana 9 volana no raisin'ireo mpianatra saingy tsy maintsy tohizana hatramin’ny farany ny fampianarana ho an'ireo izay tsy mbola nahavita izany. Faharoa, ny fe-potoana farany hamaranana ny taom-pianarana (Deadline pour l'achèvement des cours) ka fantatra fa hofaranana ny faran'ny volana oktobra 2022 ny taom-pianarana 2021-2022. Fahatelo ny lanonana fametrahana ireo Filohan'ny Oniversite amin'ny fomba ofisialy, izay notapahana fa hatao manodidina ny 10 septambra ka hatramin'ny 10 desambra 2022 any amin’ireo Oniversite tsirairay avy. Fahaefatra kosa ny fidirana amin’ny taom-pianarana 2022-2023, ka ny 07 novambra 2022 ny fidirana ofisialin’ny oniversite rehetra manerana ny Nosy (rentrée pédagogique). Manomboka ny 26 septambra 2022 ka hatramin’ny 31 oktobra 2022 kosa dia efa azo atomboka ny fisoratana anarana sy ny “réinscription” ho an’ireo Oniversite mahavita taom-pianarana mialoha. Ny 15 Oktobra 2022 ka hatramin’ny 20 Novambra 2022 ny famerenana ny fisoratana anarana (réinscription) ho an’ny Oniversite Antsiranana. Ny fisoratana anarana (inscription) ho an’ny vao afaka Bakalorea ao amin’ny Oniversiten’Antsiranana dia mitovy amin’ny Oniversite rehetra. Hanomboka ny 26 Septambra 2022 ny “rentrée administrative”. Teboka fahadimy ny lalàna mahakasika ny fizakan-tenan’ny oniversite (Loi sur l'autonomie universitaire), izay voalaza fa efa nisy ny fanovana ireo rijan-teny izay nahazoana fanakianana tamin’ny HCC, dia andininy faha 2-12-17-21 ka aroso mandritra ny fivorian’ny parlemanta amin’ny volana oktobra 2022 io tolo-dalana io, araka ny fampitam-baovao ofisialy.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Ambatolampy Tsimahafotsy
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hampitomboana ny

  • Mention Ingénierie Minière
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

eny Vontovorona Tena tratejika ho

  • Grevy eny anivon'ny Lisea teknika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nivaha ny tao Ambositra,

  • Tahina Razafinjoelina
  • Talata 14 Aprily 2026

Hampita ny fampamokarana miainga amin'ny IA

  • “Africa Summit
  • Talata 14 Aprily 2026

Education 2026” Namiratra ny mpampianatra

  • MPIANATRA MAY
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

TRANO TENY ANKATSO

Hijery ny tohiny
FTT