TAOM-PIANARANA VAOVAO 2024-2025

Niakatra ny saram-pianarana, efa manomboka ny fisoratana anarana


  • Talata 06 Mey 2025

Nampiakatra saram-pianarana ny ankamaroan’ireo sekoly tsy miankina eto

an-drenivohitra sy ny manodidina manomboka amin’io taom-pianarana vaovao 2024-2025 io. Manomboka amin’ny 3.000 Ar ka hatramin’ny 5.000 Ar isaky ny mpianatra eo ho eo izy io ho an’ireo sekoly mampiasa ny teny Frantsay. Ankoatra izay dia efa manomboka ihany koa ny fisoratana anarana. Ho ana sekoly tsy miankina iray eny Atsimondrano eny ohatra dia efa nanomboka tamin’ny volana Aprily lasa teo izany ho an’ireo mihazakazaka manenjika ilay fihenam-bidy, hifarana ny volana Jona. 130.000 Ar eo ho eo io fanavaozana ny sara-pisoratana anarana io ho an’ny mpianatra iray raha 140.000 Ar kosa ny volana Jolay ka hatramin’ny volana Aogositra. Tafakatra 225.000 Ar kosa ireo izay tara io fe-potoana hisian’ny fihenam-bidy io ankoatra ny fitaovam-pianarana izay mbola hanomanana150.000 Ar any ho any ihany koa ny mpianatra iray raha kely indrindra. Kofona ny Ray aman-dRenin’ny mpianatra raha fehezina. Mbola tsy mifarana akory mantsy ny taom-pianarana teo aloha dia efa tsy maintsy hihazakazahana indray ny fanomanana ny taom-pianarana vaovao ankoatra ny fiatrehana ny fiainana andavanandro. Ny vidim-piainana anefa eo an-daniny tsy mitsaha-miakatra sy midangana. Tsy misy dikany intsony ny 20.000 Ar entina eny an-tsena hividianana vary sy laoka ho an’ny ankohonana iray misy olona 4 ao anatin’ny andro iray.Tena sahirana ny Malagasy raha bangoina. Zara raha miaina sisa vokatry ny fahasahiranana.
Pati
Legende : Mitaky vola matevina isan-taona ny fampianaran-janaka eto amintsika ! 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fisakafoana an-tsekoly
  • Zoma 19 Jona 2026

Modely mahomby erantany ny any Korea

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

Hijery ny tohiny
FTT