Fampianarana

Taom-pianarana vaovao 108 ireo sekoly tsy havela hisokatra


  • Alarobia 02 Aogositra 2017

Rehefa nomen’ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena fotoana maharitra hahafahan’izy ireo

mampanara-dalàna ny taratasy rehetra mikasika ny fisokafany avy nanomboka ny taona 2016 izany ireo sekoly sy toeram-panabeazana nanodidina ny 1600 izay voalaza fa tsy mbola tena tomombana ara-taratasy sy ara-drafitra tamin’ny fotoan’androny dia fantatra ankehitriny fa mbola misy ireo izay tsy nahavita izany. Miisa 108, raha ny fanazavana, ireo sekoly sy toeram-panabeazana voakasik’izany ankehitriny ary navoakan’ny avy eo anivon’ny minisitera moa ny lisitr’izy ireo fa tsy afaka hisokatra intsony amin’io taom-pianarana 2017-2018 io. Hihena be araka izany ireo sekoly sy toeram-panabeazana misy manomboka amin’ity taom-pianarana ity.

J. Mirija

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT