TAOM-PIANARANA MBOLA TSY TAPITRA

Efa manomboka sahady ny fisoratana manaraka


  • Alatsinainy 22 Aprily 2024

Tena mahatsiaro sahirana ny ankamaroan’ny Ray aman-dRenin’ny mpianatra indrindra

fa ireo mampiana-janaka amin’ny sekoly tsy miankina. Mbola tsy mifarana akory mantsy ny taom-pianarana 2023-2024 dia efa manomboka sahady ny fisoratana anarana amin’ny taom-pianarana vaovao 2024-2025 mba hahafahana mitazona ny toeran’ny mpianatra. Ho an’ny eny amin’iny distrikan’Atsimondrano manokana iny dia sekoly tsy miankina maromaro no fantatra fa efa nampitondra taratasy ny mpianany ho an’ny Ray aman-dReny mikasika izay. Manomboka amin’ity volana Aprily madiva hifarana ity ny fisoratana anarana andiany voalohany, hifarana ny faha-28-n’ny volana Jona. Izay Ray aman-dReny mahavita manavao ny fisoratana anaran-janany ao anatin’io fe-potoana io dia mahazo fihenam-bidy hatrany amin’ny 40% any ho any. Izay mihoatra io daty io kosa vao mandoa dia tsy miova fa mandoa ny vola tokony aloha toy ny isan-taona ary mety tsy ho voaray intsony mihitsy ny zanany raha tara loatra izany. Nandefa taratasy ihany koa ireo sekoly ireo fa manomboka amin’ny volana Jona dia efa afaka maka fitaovam-pianarana amin’ilay azo aloha tsikelikely ny Ray aman-dReny ka telo volana no fe-potoana lava indrindra. Amin’ny ankapobeny moa dia saika samy maika hanenjika io fe-potoana hahafahana mahazo fihenam-bidy io avokoa ny Ray aman-dReny saingy ny olana dia ho tafaraka amin’ny fandoavana saram-pianarana isam-bolana izany izay tsy hifarana raha tsy amin’ny volana Jona ho avy izao. Tsy misy izay tsy mikolay araka izany ireo voakasika saingy tsy maintsy miatrika.
Pati
Legende : Vao hamarana ny roa volana fahaefatra anefa ny mpianatra amin’izao !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT