Fampianarana

Taom-pianarana 2023-2024 Hiditra amin’ny 04 septambra ny mpianatra


  • Alakamisy 06 Jolay 2023

Efa nivoaka sahady ny tetiandrom-pianarana amin’ny taom-pianarana vaovao 2023-2024. Raha araka ny fantatra dia amin’ny 21 aogositra ny fidirana ho an’ireo mpandraharaha rehetra.

Ny 28 aogositra kosa no fidiran’ny mpampianatra raha amin’ny datin’ny 4 septambra no hiverina an-tsekoly avokoa ny mpianatra rehetra. Hifarana ny datin’ny 27 oktobra ny roa volana voalohany. Ny 06 novambra ka hatramin’ny 22 desambra ny roa volana faharoa, ny 08 janoary ka hatramin’ny 1 martsa ny roa volana fahatelo, ny 11 martsa ka hatramin’ny 26 Aprily ny roa volana fahaefatra raha ny 06 May ka hatramin’ny 28 jona ny roa volana fahadimy sady farany. In’efatra hisy ny fialan-tsasatra mandritra izany ka ny fankalazana ny fetin’ny Noely sy ny faran’ny taona no hisantarana izany. Hitohy amin’ny fetin’ny sekoly ny datin’ny 28 febroary ka hatramin’ny 1 martsa….Ny sabotsy 29 jona no hifarana tanteraka ny taom-pianarana 2023-2024.
Pati
Legende : Ny 4 septambra 2023 no hiverina hianatra indray ireo kilonga madinika
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT