Fampianarana

Taom-pianarana 2021-2022 Nanomboka ofisialy omaly teny Anosibe


  • Alakamisy 02 Septambra 2021

Nosokafana tamim-pomba ofisialy tao amin’ny CEG sy EPP Anosibe ny taom-pianarana 2020-2021 omaly alarobia 01 septambra.

 Nidina ifotony nijery ny fidiran’ny mpianatra ny tale jeneraly misahana ny ara-pedagojia eo anivon’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena Andriamiakatsilavo Raoniherijaona izaynisolo tena ny minisitry ny fanabeazam-pirenena, mba hitso-drano ireo mpianatra sy mpampianatra hahatontosa soamantsara ny taom-pianarana. « Ny nampiavaka tamin’ity taom-pianarana ity moa dia ny nandrosoana ny tetiandro fidirana ho amin’ny volana septambra ka hifarana ny volana jona. Eo ihany koa ny fandraisan’ny fitondram-panjakana an-tanana ny fampidirana ny zaza an-tsekoly ka nampitomboina ho avo roa heny ny caisse école. Misy kosa anefa ireo fandaniana hafa maro izay sahanin’ny sekoly ka hifampidinihan’ny ray aman-dreny sy ny eo anivon’ny FEFFI ny amin’ny fandraisana anjara izay tsy tokony atao sakana amin’ny fidiran’ny ankizy an-tsekoly », hoy izy nanazava. Fandaminana anisan’ny napetraka ihany koa ny fanajàna hatrany ny lamina amin’ny fisorohana ny fihanaky ny valan’aretina Covid-19 izay hiarahana amin’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka. Mahakasika ny fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana kosa dia « efa nisy ny fandraisana ireo mpampianatra nivoaka avy amin’ny ivon-toeram-panofanana ara-pedagojia (CRINFP) hiparitaka manerana ny nosy. Ao ihany koa ny fampiofanana ireo mpampianatra FRAM miisa eo amin’ny 15 000 eo ary indrindra ny fandraisana ireo mpampianatra ho mpiasam-panjakana miisa 1 075 amin’ny alalan’ny recrutement spécial », hoy hatrany izy. Raha ny fanazavana nentiny hatrany dia « hisy ny fanombanana na évaluation hataon’ny mpampianatra ny mpianatra isaky ny tapitra ny bimestre mba ahitàna ny lesoka sy ny tokony hanatsarana ny fomba fampianarana na « remédiation » ka tokony hitovy avokoa ny fahaizan’ny ankizy rehetra amin’ny fahataperan’ny taom-pianarana ». Manodidina ny 5 tapitrisa ny mpianatra tokony hiditra an-tsekoly manerana ny nosy izay miparitaka amin’ny EPP 28 000, ny CEG kosa dia misy 2 800 ary ny lisea dia 574 isa.
Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT