Fampianarana

Taom-pianarana 2018-2019 Amin’ny 19 novambra no hiditra ny mpianatra


  • Sabotsy 21 Aprily 2018

Nivoaka sahady ny tetiandrom-pampianarana vaovao amin’ny taom-pianarana 2018-2019 ho avy io. Ny 19 novambra 2018 no hiditra ny mpianatra rehetra manerana ny Nosy ary any amin’ny 30 aogositra 2019 vao hifarana ny taom-pianarana 2018-2019. Hizara dimy mazava tsara ny fotoam-pianarana mandritra izany.

 

Ny 05 novambra hatramin’ny 21 desambra 2018 ny andiany voalohany. Ny  22 desambra no hanomboka ny fialan-tsasatry ny Noely mandritra izany  hifarana ny 06 janoary. Ny fotoam-pianarana faharoa kosa indray dia ny 07 janoary 2019 hatramin’ny 01martsa 2019 izay ahitana ny fankalazana ny andron’ny sekoly ny 27 febroary hatramin’ny fiandohan’ny volana martsa. Ny fizarana fahatelo dia manomboka ny 04  martsa 2019 ka hatramin’ny 19 aprily 2019, izay hitohy avy hatrany amin’ny  fialan-tsasatry ny Paska ny 20 ka  hatramin’ny 28 aprily 2019. Ny fizarana fahaefatra dia ny 29 aprily hatramin’ny 28 jona raha toa ka ny 10 jolay hatramin’ny 28 aogositra kosa ny fotoam-pampianarana faha-5 izay sady mamarana ny taona rahateo. Araka ity tetiandron’ny Ministeran’ny Fanabeazam-Pirenena ity hatrany dia efa nivoaka ihany koa ny daty hanatanterahina ny fanadinam-panjakana. Ny 03 septambra 2019 no hanatanterahina ny CEPE ; ny 23 hatramin’ny 26 septambra ny  BEPC raha  ny  29 sy 30 oktobra  kosa no hanaovana ny CAE raha toa ka any amin’ny 26 sy 27 novambra no hanaovana ny CAP.  Tsiahivina moa fa betsaka amin’ireo sarababem-bahoaka no mitaraina amin’ity fiovan’ny tetiandrom-pampianarana eto amintsika ity.

Pati

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Zoma 12 Jona 2026

Nitondra am-bavaka ny

Hijery ny tohiny
FTT