Tantsoroka ho an'ny Bakalorea

2026 Misy ordinatera 400


  • Alakamisy 09 Jolay 2026

hafainganana ny fikarakarana

Nanolotra solosaina miisa 400 ho an'ny Minisiteran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Haitao Ara-kajy Mirindra, ny Paositra ary ny Fifandraisan-davitra hampiasaina amin’ny fikarakarana sy fitantanana ny fanadinana Bakalorea. Natolotra omaly teny Fiadanana araka ny fanentanana nataon'ny Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison, an'ireo minisitera rehetra voakasika hiantoka ny fahatomombanan’ny fikarakarana ny fanadinana Bakalorea. Nandray izany Pr Ravonimanantsoa Ndaohialy Manda-Vy, Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa. “Ny tanora no anisan’ny harena lehibe tokoa ho an’ny firenentsika, koa rariny raha manao ny hevitra rehetra hikolokoloana azy ireny sy hanandratana ny fanabeazana ny fitondram-panjakana amin’ny alalan’izao hetsika ataon’ny Minisitera izao », hoy Atoa Mahefa Andriamampiadana, Minisitry ny Fampiroboroboana ny Haitao Ara-kajy Mirindra, ny Paositra ary ny Fifandraisan-davitra. Ireo solosaina ireo dia natao hanohanana ny fampandehanana amim-pahombiazana ny asa rehetra mifandraika amin’ny fanadinana Bakalorea, mba hiantohana ny mangarahara, ny hafainganana, ny fahamarinan’ny fikarakarana, ary ny fiarovana ny angon-drakitra.
Jean D.
Minisitra isany Mahefa Andriamampiadana sy Pr Ravonimanantsoa Ndaohialy Manda-Vy
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT