Fampianarana

Tanora mpianatra Malagasy Maro no tafaroboka amin’ny fifohana sigara


  • Alakamisy 31 Janoary 2019

Ny 100%-n’ireo sekoly nanaovan’ny fikambanana NY SAHY fanadihadiana dia ahitana mpivarotra daholo ny 100 metatra manodidina.

 

 

 Nanambara izy ireo omaly alarobia 30 janoary tetsy amin’ny Hotely Le Pavé Antaninarenina fa  farafahakeliny dia misy mpivarotra sigara 9 manodidina ny sekoly anankiray. Zava-doza ny zavatra mitranga ankehitriny, hoy izy ireo  fa misy an’io toe-javatra io daholo na ny eny amin’ny fanabeazana fototra na ny ambaratonga faharoa, mainka moa ny eny amin’ny lisea sy ny fampianarana ambony. Saika tafaroboka amin’ny fifohana sigara avokoa amin’izao ny mpianatra Malagasy. Noho izany indrindra no nanaovan’izy ireo antso amin’ny fanjakana mba handray fepetra. Nangataka ny fikambanana NY SAHY mba ho 500 metatra miala amin’ny sekoly farafahakeliny vao asiana mpivarotra sigara. Mikasika ny dokambarotra sigara kosa dia efa misy ny lalàna nivoaka teto Madagasikara mandrara ny tsy fahazoana manao azy ireny. Ny 45%-n’ny sekoly nanaovan’izy ireo fanadihadiana anefa dia misy dokambarotra sigara avokoa . Betsaka, araka izany, ny fandikan-dalàna misy ary tsy ny mpivarotra no manao an’ilay afisy fa ny tompon’andraikitra any amin’ny Indostria manamboatra an’ilay sigara mihitsy. Ao ihany koa ny lalàna manakana ny mpivarotra tsy hamarotra sy hampivarotra sigara amin’ny ankizy latsaky ny 18 taona. Zary fomba ary tsy mahagaga ny maro intsony anefa ny mahita ankizy kely mividy na mivarotra sigara. Ady iraisana no atao, hoy ny fikambanana NY SAHY ka nanaovany antso avo ny ray aman-dreny ihany koa mba tsy haniraka hividy sigara intsony ny zanany. Raha mitohy izao dia ho lasan’i Madagasikara indray ny laharana voalohany amin’ny fifohana sigara. Tsy mahasalama ny sigara ary misy fiantraikany ratsy amin’ny fianarana atao ka ny rehetra mihitsy no mila mandray andraikitra.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fisakafoana an-tsekoly
  • Zoma 19 Jona 2026

Modely mahomby erantany ny any Korea

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

Hijery ny tohiny
FTT