Fampianarana

Tanora Mpanabe zatovovavy ao Moramanga Nanentana momba ny fahadiovana sy fidiovana


  • Zoma 16 Oktobra 2020

Ny datin'ny 11 oktobra no daty anamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho an'ny zatovovavy. Tsy diso anjara tamin'ny fankalazana ny tao Moramanga.

 

 

Ny Fikambanana Tanora Garan'teen Alaotra Mangoro dia nikarakara hetsika ho fanamarihana izany fankalazana izany izay niarahana niasa tamin'ny Sampandraharaha miadidy ny tanora sy ny fanatanjahantena, ny Maison des Jeunes Moramanga ary ireo fikambanana tanora samihafa (Fanilon'i Madagasikara, YMCA, Association Mitsinjo ny Ankizy, CFPCE Louisannie). Hetsika samihafa no nanamarihana izany toy ny fanadiovana sy fambolena voninkazo ary fanavaozana ny vavahadin'ny Maison des Jeunes Moramanga sy ny CSBII Amis des Jeunes Ambohimandroso. Teo ihany koa ny fanentanana ireo zatovovavy voafonja sy ireo zatovovavy sahirana izay niresahana ny lohahevitra mahakasika ny fitantanana ara-batana sy ara-tsaina mandritry ny fadim-bolana eo amin'ny zatovovavy. Nisy ny fizarana fitaovam-pidiovana ho an'ireo zatovovavy ireo nandritry izao fankalazana izao. Ny fikambanana Tanora Garan'teen Moramanga dia fikambanana misehatra amin'ny tanora ary manampy ireo tanora hanana fitondrantena mendrika ary misehatra amin'ny fahasalamana ara-pananahana ihany koa ny fikambanana.

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT