Fampianarana

TANORA MANAMPAHAIZANA Mitombo isa hatrany eto amintsika


  • Zoma 07 Desambra 2018

Mitombo isa hatrany ireo tanora manampahaizana eto amintsika. Miisa 80 mianadahy indray izy ireo no indray navoakan’ny sekoly ambony ISFPS Leader eny amin’ny 67 ha teny Ambohimanambola omaly misalotra ny anarana Fanilo.

 

 

 

Ny 20 amin’izy ireo no notolorana ny mari-pahaizana Diplômes de technicien superieur raha nahazo ny licence kosa ny 60 ambiny. Raha araka ny fanazavan’ny filoha tale jeneralin’ny sekoly Atoa Tsimiondre Mahasoa dia tena niavaka ireto andiany navoakany teto Antananarivo ireto. Ho afaka  hanohy fianarana any amin’ireo firenena fito any ivelany mpiara-miombon’antoka amin’ny sekoly mantsy izy ireo ankoatra ireo maniry te-hiditra eo amin’ny sehatry ny asa avy hatrany. Lohalaharana amin’izany ireo niofana ho paramed, ireo nianatra lalàna raha tsy latsa-danja amin’izany ihany koa ireo nianatra momba ny serasera sy ny transit et douane ary ny science de la santé. Hahazo valim-pitia avy amin’ny sekoly avy hatrany moa ireo major tamin’ity taona ity satria dia hoentina hitsangatsangana any Foulpointe maimaimpoana avokoa izy ireo. Any Maorisy kosa no hoentina ireo major des majors amin’ny taona ho avy. Mbola mitohy ny fisoratana anarana ho an’ny sekoly ambony ISFPS Leader.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT