Fampianarana

Tanora Malagasy Vitsy no liana amin`ny taranja siantifika sy teknika


  • Alakamisy 31 Janoary 2019

Miha latsa-danja ny fironan`ny mpianatra amin`ny taranja siantifika sy teknika.

 

 

 

 Raha ny tatitra avy amina sekoly iray, ny 20%-n`ny mpianatra Malagasy ihany no misafidy ny taranja siantifika. Mbola ambany be ihany koa ny taham-pahafahana ho an’ity taranja ity noho ireo mpianatra tsy liana. Raha ny fanadihadiana natao dia heverina ho mora ny taranja haisoratra. Tsy manana ny toe-tsaina mitady ny lafatra (mentalitè de l`excellence) ny ankamaroan`ny mpianatra ka aleony misafidy ny taranja haisoratra fa mora kokoa no hahazoana ny maripahaizana bakalorea. Vitsy ireo ankizy mirona any amin`ny sampam-pampianarana teknika satria misy ny mieritreritra matetika fa tsy misy fampiasan-tsaina atao loatra fa ny tanana no tena miasa. Misy foana anefa ny lesona ianarana sy ny fikarohana atao. Raha nanontaniana ny mpisehatra iray ao anatin`ny fanabeazana amin`ny vahaolana mifanaraka amin`izany dia tokony hasiana karazana taranja na sampandraharaha misahana ny “orientation” eny anivon`ny sekoly ahafahan`ny ankizy tsirairay manana safidy mazava amin`izay taranja hohalalininy. Mila ovaina ihany koa ny fomba fampianarana amin`ny fisesefana lesona ankizy nefa tsy ho azony hampiharina amin`ny fiainana akory fa faly mifindra kilasy fotsiny. Mila atao manaraka ny toetrandro ny fomba fampianarana fa tsy manaraka programam-pampianarana be fahatany,. Ho an-dRavoninjatovo Onjatiana Rajaobelina, mpitantana fikambanana misehatra amin`ny tontolo iainana, ny fototry ny olana dia ny tsy fitovian-danjan’ny fampianarana eto an-drenivohitra sy any ambanivohitra. Raha ankizy nianatra any amin`ny tsy miankina ihany koa dia mirona kokoa any amin`ny haisoratra. Tsy lavina fa mora ny mitady asa raha amin`io taranja io, indrindra eo amin`ny sehatry ny fifandraisana. Ny taranja teknika sy siantifika anefaa mikaroka ary mampiasa saina kokoa. Mila faritana dieny mbola eny amin`ny ambaratonga fototra mihitsy ny fahaizan`ilay ankizy ary fantarina mialoha ihany koa ny tanjona sy ny asa tiany hatao any aoriana. Ny olana mipetraka mantsy dia ny ankizy miandry ny fahavitan`ny bakalorea vao mieritreritra ny taranja tokony hataony.  Mipetraka ho olana anefa ny tsy fanomezan-danja ny taranja teknika sy siantifika kanefa ny antoka iray amin`ny fampandrosoana ny firenena dia ny fahamaroan`ny siantifika sy teknisianiana.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT