TANORA MALAGASY VAO AFAKA BAKA

Mitady lalana ho any ivelany ny ankamaroany


  • Alakamisy 29 Aogositra 2024

Mitady lalana ho any ivelany avokoa ny ankamaroan’ireo tanora mpianatra Malagasy vao afa-panadinana Bakalorea.

Saika izay avokoa ny hetahetan’ireo tonga mitsidika ilay Salon des etudiants taona 2024, karakarain’ny Ministeran’ny Fampianarana ambaratonga ambony sy ny Publica Mada etsy amin’ny kianjan’i Barea Mahamasina izay hifarana anio Alakamisy 29 Aogositra. Hifanotofan’izy ireo noho izany ireo sekoly ambony mamaly ny hetahetany toy ny ISFPS Leader sekoly ambony iray izay efa misy manerana ny Nosy. Raha araka ny fanazavan’ny filoha tale jeneralin’ity sekoly ambony iray ity Atoa Tsimiondrike Mahasoa dia oniversite any ivelany manodidina ny 15 isa amin’izao no efa miara-miasa amin’izy ireo. Anisan’ireny ny any Inde sy Allemagne ary Chine. Hampianarina maimaim-poana ny mpianatr’izy ireo noho izany ny teny Indiana sy Alemana mba hahafahan’izy ireo mifanerasera tsara rehefa tonga any an-toerana. Ho an’ireo mbola te-handalina dia afaka manohy fianarana izy ireo raha manana ilay diplaoma takian’ny oniversite any an-toerana ary efa misy mikarakara koa ny antontan-taratasy. Ho an’ireo efa te-hiasa kosa dia efa manana mpiara-miasa ihany koa ny sekoly. Mampiavaka ity sekoly ambony iray ity moa ny tsy fanaovana ambanin-javatra ny lafiny ara-panahy, ny fampianarana ny mpianatra hahay hizara amin’ny hafa, ary ny fitsinjovana ireo sahirana. Misy lalam-piofanana maromaro moa ao amin’ny ISFPS Leader toy ny Paramed, ny droit….
Pati
Legende : Afaka mandefa mpianatra any ivelany ny sekoly ambony ISFPS Leader tarihin’Atoa Tsimiondrike Mahasoa !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fisakafoana an-tsekoly
  • Zoma 19 Jona 2026

Modely mahomby erantany ny any Korea

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

Hijery ny tohiny
FTT