Fampianarana

Tanora Malagasy Tsy mahalala ny fianarana tokony hataony ny ankamaroany


  • Alakamisy 13 Aprily 2017

Mbola betsaka ireo ankizy sy tanora tsy mahalala akory ny fianarana tokony hataony eto amintsika, araka ny fanadihadiana nataon’ny fikambanana Fanorina teny anivon’ireny sekoly isan-tsokajiny ireny.

 

 Ny ankamaroan’izy ireny, hoy ny filohan’ny fikambanana Barinjaka Randriamilandy  dia mianatra fotsiny fa tsy mahalala akory ny taranja tena hainy, ny asa tokony hatao mifandraika amin’izany rehefa any aoriana. Vitsiana ihany koa ireo ray aman-dreny manara-maso, antony mahatonga ireo ankizy mpianatra hisafidy lalam-piofanana marobe ary mitety izany rehefa tonga eny amin’ny anjerimanontolo izay miafara amin’ny tsy  fahitana asa mihitsy amin’ny ankapobeny. Mba ho fanampiana ny tsirairay, indrindra ireo ankizy mpianatra dia namoaka  gazety boky  vaovao misy 26 pejy, mitondra ny lohateny hoe : Ho aiza ? ny fikambanana Fanorina.  Hafatra goavana  fonosin’io boky io  ny fampirisihina ny  ray aman-dreny ny amin’ny tokony hanarahany maso akaiky ny fianaran-janany mba hananana ho avy mamiratra ankoatra ny fijoroana vavolombelona ataona  mpianatra sy tompon’andraikitra ambony nanatanteraka izany ka tafavoaka soa aman-tsara tamin’ny fiainana. Ny vondrona Eoropeanina moa no mamatsy vola azy ireo, boky  nozaraina maimaimpoana teto an-drenivohitra nanomboka omaly.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT