Fampianarana

Tanora any amin’ny faritra Anosy Nomen’ny FMFP sy ny QMM fiofanana momba ny asa


  • Alatsinainy 28 Novambra 2022

Hanampy ireo tanora eto amintsika manoloana ny ady amin’ny tsy fananan’asa ny Le Fonds Malgache de Formation Professionnelle sy ny Rio Tinto QMM.

Ity farany no tompon’antoka amin’ny tetikasa raha ny FMFP kosa no mpamatsy vola. Efa nisy ny sonia fifanakem-piaraha-miasa notanterahin’ny roa tonta tamin’ny volana Jona lasa teo. Tafiditra ao anatin’io fifanekena nifanaovan’ny roa tonta io ny fanomezana fiofanana ny tanora mba hahafahan’izy ireo miditra eo amin’ny sehatry ny asa avy hatrany. Ho an’ny faritra Anosy manokana dia mahatratra 300 isa ireo tanora mahazo tombontsoa amin’izany. Kaominina miisa 9 ao anatin’ny Faritra Anosy hatreto no fantatra fa hisitraka io fiofanana io, tarihin’ny tale jeneraly QMM Pierre Raoelina Andriambololona izay efa any an-toerana amin’izao fotoana izao. Nisy araka izany ny fihaonan’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny FMFP tamin’ireo Ben’ny tanana any an-toerana mikasika ny fanentanana tokoa hatao. Tanora 18 ka hatramin’ny 35 taona no horaisina amin’izany ka eny anivon’ny kaominina no aterina ny antontan-taratasy fangatahan’asa. Antontan-taratasy hatrany amin’ny 1500 isa no horaisina amin’izany ho an’ireo karazan’asa miisa 12 eo anivon’ireo orinasa ireo. Tsiahivina moa fa nanomboka tamin’ny taona 2019 dia namatsy tamina tetikasa miisa 2.000 mitentina 20 miliara Ar ny FMFP. Tanjona ny hahafahana mampihena hatrany ny tahan’ireo tanora tsy an’asa eto amintsika hahafahana miady sy mandresy ny fahantrana.
Pati
Legende : Santionany amin’ireo tanora nahazo fiofanana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT