Fampianarana

Taninketsan’ny foloalindahy Niavaka ny fanamarihana ny faha-100 taonan’ny SEMIPI


  • Zoma 26 Mey 2023

Nomarihina omaly 25 may 2023 tao Fianarantsoa ny faha-100 taonan’ny Sekolin’ny Miaramilam-pirenena na SEMIPI, izay taninketsan’ny Foloalindahy malagasy sy namolavola mpitarika maro eto amin’ny Firenena.

Tonga nanatrika ny lanonana ara-miaramila ho fanamarihana izany ny Filoham-pirenena sady Lehibe Faratampon'ny Foloalindahy Andry Rajoelina sy ny vadiny. Nandritra izany no nanaovana batemy ireo andiany 2022-2023 izay ahitana mpianatra miisa 84 mitondra ny anarana "Faha zato taonan'ny Sekoly Miaramilam-Pirenena", izay niavaka tokoa. Fomba fanao fialàna amin'ny fiainana sivily mba ho tonga tena miaramila kely ny batemy, ary ireo tanora ireo dia volavolaina anaty soatoavina fototra toy ny herim-po (courage) fanarahana ny fitsipi-pifehezana (discipline) sy ny tsy fivadihana amin'ny teny nomena (loyauté)." Ny fampianarana izay azonareo teto dia miavaka amin'ny lafiny akademika, teknika sy etika hahafahanareo manompo ny firenena. Tsarovy hatrany fa ianareo no mpiaro ny lova sy ny lazan'ity sekoly ity ary ireo soatoavina notezaina anareo teto no entinareo amin'ny lalam-piainanareo" hoy ny Filoha Andry Rajoelina raha niarahaba sy nitso-drano ireo mpianatra eto anivon'ny SEMIPI. Nanamarika ny fankalazana ny faha 100 taonan'ny SEMIPI notanterahina androany ihany koa ny seho "synchronisation japonaise" sy taekwondo nataon'ireo mpianatra ary ny fitokanana ny chapelle militaire Beravina. Nosoniavina omaly tao Fianarantsoa ihany koa moa ny fametrahana ho mpirahavavy ny SEMIPI sy ny Prytanée National Militaire de La Flèche any Frantsa. Voalaza fa ahafahana mandalina bebe kokoa ny fiifamatorana eo amin’ny tafika roa tonta io, ankoatra ny fiaraha-miasa samihafa.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Mention Ingénierie Minière
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

eny Vontovorona Tena tratejika ho

  • Grevy eny anivon'ny Lisea teknika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nivaha ny tao Ambositra,

  • Tahina Razafinjoelina
  • Talata 14 Aprily 2026

Hampita ny fampamokarana miainga amin'ny IA

  • “Africa Summit
  • Talata 14 Aprily 2026

Education 2026” Namiratra ny mpampianatra

  • MPIANATRA MAY
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

TRANO TENY ANKATSO

  • Fonenan’ny mpianatra eny Ankatso II
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

Hotohoton’ny afo ny Bloc 51

Hijery ny tohiny
FTT